Hankalazaina anio talata 18 jolay ny andron’i Nelson Mandela. Hanamarihana ny hetsika dia nanatanteraka asa sosialy teny amin’ny Centre Fanambinana,
mitaiza ireo ankizy zanaky ny sahirana ara-pivelomana eny Nanisana ny masoivohon’i Afrika Atsimo sy ny firenena mikambana omaly. Lohahevitra noraisin’izy ireo ny “Ny fianarana no fitaovana lehibe indrindra hanovana ny tontolo”. Ankoatra ny asa fandokoana sy fanadiovana ny ivontoerana dia nanolotra sakafo ara-pahasalamana sy “kits scolaire” ho an’ireo ankizy 26 mianadahy beazina ao amin’ity Akany iray ity ihany koa izy ireo. Nambaran’ny masera Marie Lucie izay mitaiza ireo ankizy ireo mivantana nandritra izany fa valo amin’izy 26 mianadahy ireo no tena manao kilasy mandry ao amin’ny Centre. Hiantohana iray manontolo ny fiainan’izy ireo raha anisan’ny olana nosedrain’ny Centre kosa tato ho ato ny halafosan’ny vidim-bary. Na izany aza anefa dia miezaka ny mikarakara azy ireo hatrany ny centre. Afa-panadinana BEPC avokoa moa ireo ankizy sahirana dimy noraisin’ny akany an-tanana tamin’ity taona ity, raha afaka CEPE soa aman-tsara ihany koa ny iray niatrika izany. Miisa roa kosa ireo hiatrika ny fanadinana Bakalôrea ny 24 Jolay ho avy izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.