Actualités

Masoivoho Amerikanina Manameloka ny fikasihan-tanana mpianatra


  • Alakamisy 03 Septambra 2015

Namoaka fanambarana mahakasika ny raharaha Jean Pierre sy ny fitokonan’ny mpianatra eny Ankatso ny masoivoho Amerikanina ary nilaza fa « manohana ny zon’ny mpianatra hanao fitakiana anatin’ny fitoniana ary mahatsapa ihany koa ny andraikitry ny fitondram-panjakana amin’ny fiantohana ny filaminana

 

. Mahatsiaro voakasika izahay teo anatrehan’ny tranga izay miendrika fampiasan-kery tafahoatra nataon’ny mpitandro ny filaminana sasany nandritra ny fisamborana ny mpitarika ny fitokonan’ny mpianatra Jean Pierre Randrianamboarina tamin’ny hetsiky ny mpianatra teny Ankatso. ». Nakasitraka kosa ny fihetsika maneho fifehezan-tena sy ny fandraisana andraikitra nasehon’ny ampahany tamin’ireo mpitandro ny filaminana ny masoivoho Amerikanina. Manantena ny fandraisan’andraikitr’ireo manampahefana sy ny fanaovana fanadihadiana lalina momba iny tranga iny hisorohana ny fiverenan’ny fampiasan-kery amin’ny fotoana fisamborana olona moa ry zareo Amerikanina, araka ity fanambarana ity ihany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT