Actualités

Masoivoho Amerikana Am-perinasa ireo andiana diplaomaty vaovao


  • Zoma 24 Septambra 2010


Naseho tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy 23 septambra 2010 nandritra ny lanonana nokarakaraina tao amin’ny Masoivoho Amerikana ao Andranomena Antananarivo ireo andiana diplaomaty vaovao honina sy hiasa eto Madagasikara eo anivon’ity Masoivoho ity mandritra ny taona roa eo ho eo. Nasaina hanome voninahitra ny lanonana ireo Masoivoho miasa eto Madagasikara sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy na avy amin’ny sehatra miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana. Raha ampahatsiavina dia anisan’ny olom-baovao avokoa izany izao no hiandraikitra ireto toerana ireto dia ny Lehiben’ny fitantanana ankapobeny, ny Lehiben’ny fitantanam-bola, ny Tale vaovaon’ny mpilatsaka an-tsitrapo (Corps de la Paix), ny Tomponandraikitra voalohany amin’ny fintantanana, ny Mpanolotsaina amin’ny serasera sy kolontsaina, Ny Mpanolotsaina amin’ny sehatry ny fiarovana, ary ny Tomponandraikitra ao amin’ny sampana konsolary. Nitarika ny lanonana tamin’io omaly io ny mpiandraiki-draharaha amerikana, Eric Stromayer.

 Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT