Actualités

Marolambo 1000Ar ny kapoakan’ny vary, 5000 Ar ny kilaon’ny sira


  • Alakamisy 28 Desambra 2017

Mikaikaika ny mponina any amin’ny distrikan’i Marolambo amin’ny vidangan’ny vidim-piainana. Ny saran-dalana fotsiny avy ao Mahanoro mihazo an’i Marolambo dia tafakatra 60.000 Ariary amin’izao, noho ny haratsian’ny lalana, manampy trotraka ny rotsak’orana.

Miampy 1000 Ariary isaky ny kilao saran’ny entan’ny mpandeha io sarandalana io. Kamiao no mitatitra amin’izany. Lalana mirefy 130 km nefa dia telo andro an-dalana, hoy ny fanazavan’ireo mponina any an-toerana. Vokatr’io saran-dalana io dia efa tafakatra 4000 Ar ny kilaon’ny siramamy any Marolambo amin’izao, 5000 Ariary ny sira, 3000Ar ny litatry ny solitany fandrehitra ary 1000 Ariary ny kapoakan’ny fotsimbary. Manahy mafy ny amin’ny mety ho fiakaran’ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanadro ny mponina ao amin’ity distrika iray ao amin’ny faritra Atsinanana ity raha mitohy izao rotsak’orana izao. Tsy mba misy mpitondra fanjakana tonga, na dia hitsidika fotsiny ihany aza any an-toerana hahita ny fijalian’ny mponina, mba hitondrany vahaolana, fa mahatsiaro ho zanak’ikalahafa ny any an-toerana.

Nangonin’i Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT