Ankoatra ny tsindron’antsy dia mbola mahazo vahana eto amintsika ihany koa amin’izao fotoana izao ny fanapahan-doha.
Tovolahy kely iray mpivarokena manodidina ny 19 taona no niharan’izany tetsy Marohoho Tsimbazaza ny faran’ny herinandro teo. Mpandalo iray nivoaka handeha haka entana tokony ho tamin’ny 2 ora maraina no nahita ny varavarany nivoha ka nahatazana azy efa nitsitra no nanaitra ny manodidina. Hoditra kely sisa no nihazona ny lohan’ilay tovolahy tamin’ny tendany izay noheverin’ireo nanatri-maso ho toy ny nokapaina tamin’ny antsibe rehefa mbola rendrika tao anaty torimasony ilay tovolahy. Very tamin’izany ny vola mitentina 700.000 Ar izay saika hakan’ity tovolahy kely ity entana ny 400.000 Ar raha vola nangoniny tao anaty boatin-drakitra kosa ny 300.000 Ar. Mbola nisy nahita niara-nijorojoro tamin’ireo namany roalahy teo amoron’arabe ity tovolahy ity tamin’io alina namonoana azy io. Vola nataon’ny mponina tsipaipaika no nanaterana ny razana tany ambanivohitra. Efa eo am-panaovana fanadihadiana ny mpitandro ny filaminana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.