Actualités

Maroantsetra Tafapetraka ny tonia mpampanoa lalŕna vaovao


  • Talata 02 Jona 2015

Tafapetraka omaly alatsinainy 1 jona tao amin’ny fitsarana ambaratonga Maroantsetra ny fametrahana ara-pombam-pitsarana ny tonia mpampanoa lalŕna vaovao, Atoa Velondraza Nicolas Stephan, izay mpitsara mpamoaka didy sy mpanao fanadihadiana tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Nosy be teo aloha.

 

 “Famerenana ny fitokisan’ny vahoaka ny fitsarana, ny ady amin’ny kolikoly eo amin’ny mpitsara sy ny fanaovana kolikoly amin’ireo manan-draharaha, fanatsarana ny fandraisana ny raharaham-pitsarana sy ireo mpanan-draharaha, ny fampanaraham-penitra ny mpiasan’ny fitsarana amin’ny fametrahana famantarana azy ireny isan’andro, fampanajana ny zon’olombelona amin’ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana tsy hihoatra ny iray volana ary ny tsy fanekena ny fitsaram-bahoaka” no politikam-pitsarana entiny hanomezana aina vao indray ny fitsarana ambaratonga voalohany Maroantsetra. Ny eo amin’ny sehatry ny fanenjehana ny mpanao trafika na harem-pirenena kosa, dia nomarihan’ity tonia mpampanoa lalàna vaovao ity, fa tsy azo atao anaty fikoropahana ny politika entina amin’izany fa ny zava-misy no mamaritra ny fomba entina hiadiana sy hanenjehana ireo mpanao izany, mba ahitam-bokatra sy hanafoanana ny fisiany izay iaraha-mahalala ny firongany eo anivon’ny distrikan’i Maroantsetra, indrindra ny raharaha andramena. Ny filoha voalohany fitsarana ambony, Atoa Ramananjatovo Harison Henri sy ny tonia mpampanoa lalàna ambony ny fitsarana ambony Atoa Andriamihangy Georges Florence, dia samy nanamarika fa asa sarotra ny asam-pitsarana noho ny marina fisaka sy lalina, nefa “fitsarana ao anatin’ny tahotra an’Andriamanitra sy ny lavitry ny fahalovana no tiana hapetraka, ka ho tena fitsarana mpitady ny marina sy fialofan’ny osa ny fitsarana malagasy”. Niatrika ny lanonam-pitsarana ihany koa tao Maroantsetra ny talen’ny kabinetran’ny minisitry ny fitsarana Atoa Randrianoely Martin sy ny ireo mpitsara avy ao Toamasina sy Antsiranana.

 
 

Rakoutou (iraka manokana any Maroantsetra)

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT