Actualités

Maroantsetra Sary manalabaraka fanjakana ?


  • Alarobia 15 Septambra 2010

Mpizahatany afrikanina tatsimo no sendra ny tsy nampoizina raha tonga tany Maroantsetra tany. Tsy vitan’izay mpizahatany ity Afrikanina Tatsimo ity fa mpanao gazety ihany koa. Araka izany dia mitondra fankan-tsary hatrany izy any amin’izay dia ataony.

Nahaliana azy i Maroantsetra, eo ny fisian’ny valanjavaboarin’i Masoala, indrindra ny resaka “bois de rose” izay mahoraka tokoa amin’izao fitondrana FAT izao. Nahita maso mpanapaka hazo tokoa ity vahiny, izay nitondra mpitari-dalana (guide) raha tonga tao amin’ny tanàna kely atao hoe Anandrovola. Ny tsy nampoiziny anefa dia efa voaaramason’ny manampahefana tao an-toerana ity vahiny ity. Nampanantsoina hanaovana fanadihadiana. Nifarimbona tamin’izany ny avy ao amin’ny distrika, ny rano sy ala, ary ny mpitandro ny filaminana. Ny nahagaga, hoy ny loharanom-baovao dia nanatrika io fanadihadiana io koa ny tompon’ny hazo. Rehefa izay dia noterena hofafana, vonoina no marimarina kokoa, izay sary rehetra mahakasika “bois de rose” tao anatin’ny fakan-tsariny. Ny antony dia hoe : “tsy fampiseho vahoaka fa manala-baraka fanjakana”.

Ny alahady 05 septambra 2010 no nitrangan’ity raharaha ity. Gaga ihany moa ity vazaha ity teo anatrehan’izany fihetsiky ny manampahefana tany Maroantsetra izany. Na izy aza velom-panontaniana hoe : maninona raha avoaka lisitra ary atao fanta-bahoaka izay “tany fady” tsy azo akana sary. Ny loharanom-baovao akaiky ny distrika no nahalalana fa noraisina ny fepetra satria ambara ombieny fa voafehy ny fitrandrahana “bois de rose” amin’iny faritra Ambatosoa (Maroantsetra sy Mananara Avaratra) iny, nefa tsy tana fa misy hatrany, ka manahirana. Raha izay no izy dia hijanona ho oha-pitenenana sisa ilay hoe : “… na ho ritra aza ny ala atsinanana” fa dia ho fongana tanteraka, tsy ny ala ihany fa ireo biby miaina ao anatiny ihany koa. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT