Namoaka fanambarana omaly ry zareo mpiasam-panjakana mivondrona eo anivon’ilay antsoina hoe CTM-SSM Randrambaon’ny sendika fa efa tokony heverina amin’izay ny hanitsiana ny mari-karaman’ireo mpiasam-panjakana.
Nahatsapa ny maha-zava-dehibe io resaka io ity sendika ity sy ny avy eo anivon’ilay rafitra alemanina FES na Friedrich Ebert Stiftung sy ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena maro, hoy ilay fanambarana. Ho an-drizareo avy eo anivon’ny sendikan’ny mpiasan’ny fadintseranana manokana dia nilaza ny filohan’ny SYMPIDOU, Andrianavalona Zo, fa na dia nakarina 7% aza ny karaman’ireo mpiasam-panjakana dia mitombo be koa ny vidin’ireo entana sy kojakoja ilaina amin’ny andavan’andro. Ny governemanta milaza fa voafehy anaty 6,7%, hoy izy, ny fidangan’ny vidim-piainana kanefa tsara ny manamarika fa tarehimarika amin’ny ankapobeny izay. Rehefa mijery ny fiainana an-davan’andro isika dia mahatsapa fa diso io tarehimarika io, hoy izy. Tsy mety intsony, noho izany, ity fampiakarana tsipotipotika atao isan-jato isan-taona ity fa ny tena fototra no tokony ho jerena, hoy ny namaranany azy.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.