Nametraka fitoriana teny amin’ny filankevi-panjakana momba ny mari-karaman’ny mpiasam-panjakana amin’izao fotoana izao i Tabera Randriamanantsoa, minisitry ny asam-panjakana tamin’ny andron’ny tetezamita.
Nambarany fa efa tamin’ny taona 1979 ny mari-karama ampiharina amin’izao fotoana izao. EFa hatramin’ny fitondrana tetezamita anefa no tokony nampiharina ny mari-karama vaovao saingy hatramin’izao dia tsy misy tokotaniny. Hatramin’izao ny fanjakana dia mampiasa zavatra efa lany daty ka tokony hovaina amin’izay satria ny fiainana miha sarotra kanefa ny karaman’ny mpiasam-pankajana ambany dia ambany, raha ny fahitany azy. Nilaza ihany koa i Tabera Randriamanantsoa fa tokony hiara-kiady amin’izany amin’ny alalan’ny fanaovan-tsonia ho fanohanana io fanovana takiany io ny mpiasam-panjakana rehetra. Tsy resaka vola no antony tsy hampiharana ny mari-karama vaovao fa resaka politika, raha ny fahitan’ity tompon’andraikitra teo aloha ity azy. Ny banky iraisam-pirenena no sakana noho ny filazana fa tsy azo hampiharina io fa mandany vola. Ireo mpandraharaha amin’ny sehatra tsy miankina ihany koa dia sakana satria raha vao miakatra ny mari-karaman’ny mpiasam-panjakana dia mila manaraka izany ihany koa ny azy ireo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.