Actualités

Marc Tatandraza Ho samborin’ny zandary


  • Alatsinainy 15 Janoary 2018

Efa nisitrika sy niery hatramin'ny taona 2017 i Marc Tatandraza noho ny fikarohana nataon'ny zandarimariam-pirenena azy tamina fandikan-dalàna maro vitany tamin'ny faritra maromaro teto amin'ny nosy, ka nisiana fitorian'olona maro azy.

Miafina tsy sahy mipoitra izy hatramin'izao ary mbola mitohy ny fikarohana azy, hoy ny fanambaran’ny zandarimariam-pirenena. Ny volana mey 2017, dia efa nisy olona miisa roa mpiray tsikombakomba taminy tamin'ny fakana an-keriny zaza tsy ampy taona miisa 12 (avy tany Mananara avaratra sy Soanierana Ivongo), nentiny nakany Bekily, no efa tafiditra am-ponja vonjimaika ao amin'ny fonjan'Ambovombe Androy noho ny famotorana nataon'ny zandarimariam-pirenena azy ireo tany an-toerana manoloana ny heloka bevava niraisan'izy ireo tsikombakomba. Efa tafaverin'ny zandary teo anivon'ny fianakaviany tsirairay kosa ireo zaza ireo taorian'izay. I Marc Tatandraza kosa tamin'io dia nandositra ka tsy hita hatramin'izao, raha ny fanazavan’ny zandary. Nivoaka sy niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy « facebook » kosa ny horonantsary sy sariny ny volana desambra teo, nentina nanehoana fa maty sy efa nalevina i Marc Tatandraza ary nitsangana tamin’ny maty avy eo. Tany Bekily no toerana voatoandro ho nanaovana azy. Taorian'ny fikarohana sy ny fanadihadiana lalina anefa dia tsy tany an-toerana na iray segondra izy ary tsy nisy fanambarana fahafatesana na fangatahan-dalana hanao fandevenana natao momba azy tany amin'izany distrika izany sy ny fokontany rehetra misy any, hoy hatrany ny zandarimaria. Noho izany dia nanamafy ny zandarimariam-pirenena fa mbola mitohy ary mbola manan-kery ny "avis de recherche" amin'ny anaran'i Marc Tatandraza izay efa nivoaka hatramin'ny taona teo aloha, ka ilazana izay rehetra mety mahita na mahalala izay toerana misy azy mba hilaza haingana amin'ny mpitandro ny filaminana akaiky azy indrindra. Tsiahivina fa ny 7 mey 2015, dia efa nohelohin’ny fitsarana tao Mahajanga 1 taona an-tranomaizina izy.

Misy miaro sy mampirisika ?

Ny mahagaga amin’ity raharaha Marc Tatandraza ity, dia efa somary elaela ihany ny niparitahan’ny sary hafahafa sy miendrika fanadalana saim-bahoaka nataony na ny olona manodidina azy, saingy tsy nisy tratra na iray aza voasambotra. I Marc Tatandraza ve no mahay misitrika sa kosa mety misy olona ambony na manampahefana mandrisika sy miaro azy any ho any ? Niaraha-nahita mantsy ireo mpikirakira « facebook », toy ilay namoaka sary mamoafady naniratsira ny filoham-pirenena izay nosamborina sy nogadraina fa fotoana fohy ihany dia hita ny toerana nisy azy tamin’ny alalan’ny fampiasan’ny mpitandro ny filaminana teknolojia avo lenta. Vao ny faran’ny herinandro ity no nivoaka indray ny horonantsary milaza ny hirotsahany filoham-pirenena, ka tsy hay aloha na mbola hisy andiany manaraka na ho tratra amin’izay i Marc Tatandraza.


Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT