Actualités

Marc Ravalomanana “Tsy misy fanajana zon’olombelona eto”


  • Alakamisy 19 Aprily 2018

Tratry ny gafy sy ny antsojay indray i Marc Ravalomanana omaly, raha izy avy any Fianarantsoa niatrika ny atrikasa nasionaly “fanavotam-pirenena tena izy” nokarakarain’ny K3F (Komitin’ny Fihavanana Fandriampahalemana Fiadanana) ka nihazo an’Ambalavao.

Tena faly aho tonga eto Ambalavao, tena nahafinaritra saingy nisy ny sakantsakana satria tsy navelan’ny lefitry lehiben’ny distrika sy ny mpitandro filaminana. Nahazo baiko, hono, izy ireo na dia tsy fanaony aza, raha ny fanazavan’i Marc Ravalomanana. Nambarany fa voatery izy niantso ny vondrona iraisam-pirenena, toy ny Masoivoho Frantsay, ny an’ny vondrona Eoropeanina na ny Amerikanina,…nampandre fa tsisy izany fanajana lalàmpanorenana na resaka zon’olombelona izany. Araka ny andalana faha-10 ao anatin’ny lalàmpanorenana dia malalaka ny olona hivezivezy ary koa hiteny. Efa teto aho, fa nosakanana, ary ho avy aho, hoy izy. Tena mahamenatra mihitsy hoe ny mpitandro filaminana eto Madagasikara, ary tokony ho ren’ny minisitry ny fiarovana izany satria izy milaza hoe mihaino ny vahoaka, hoy hatrany i Marc Ravalomanana. Hentitra izy nilaza, fa samy mahay an’ity lalàna ity, ary efa teo aho matoa miteny an’izany, ary mahafantatra tsara hoe ahoana ny fitondrana firenena. 7 taona no nitondrako, ary ianareo vao 5 na 4 tokony havela ny olona halalaka hiteny, fa izao sakantsakana isak’izay mandeha izao, dia loza mitatao ho anareo io. Momba ny raharaham-pirenena amin’ny ankampobeny, dia tsotra ny nambarany hoe: “tsy mandeha amin’izay izy”. Rehefa tsy manaja ny lalàmpanorenana sy ny lalàna velona misy, dia tsy mandeha. Ny tena loza dia ny fitandrovana ny olona, ny fandriampahalemana, hoy hatrany i Marc Ravalomanana. Tsy fidinanana an-dalambe, na fikomiana, na koa fanonganam-panjakana ataon’ity filoha teo aloha ity, saingy na an-tsaha na an-tànana toa hilam-boatsiary hatrany. Tsy hay intsony izay tian’ny fanjakana hahatongavana eto amin’ny firenena, fa dia fandratoana ady tsotr’izao. Tsara rahateo no nanamarika, fa andro iray nialoha io tao Fianarantsoa, dia nilaza ny Filoha teo aloha, fa tsy maintsy mandray anjara amin’ny fifidianana na eken’ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana na tsia ny lalàm-pifidianana. Ny ampitson’iny, izany hoe omaly, dia nipoitra indray ny filan-kisa tsotra izao. Averimberina foana ny hoe tany tan-dalàna eto amintsika, saingy ny fanjakana no mpanitsakitsaka azy io. Didim-pitsarana izao aza moa hitsakitsahina ka inona no antenaina amin’izay fanarahan-dalàna raha ny HVM no resahina? Mandeha fivoriana anaty faritra mifefy sakanana, mandalo tsotra eny amin’ny lalàm-pirenena bahanana,… Aiza ihany izany no azo aleha? Mbola tsy raikitra akory ny fifidianana dia efa izao, mainka fa atsy ho atsy.


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT