Actualités

Marc Ravalomanana Tsy mbola miresaka politika aloha


  • Talata 03 Aprily 2018

Raha tsy re feo elaela Atoa Marc Ravalomanana dia niverina nitety faritra sy nifampiserasera mivantana tamin’ny vahoaka indray nanomboka ny faran’ny herinandro teo.

 

Anisan’ny toerana notsidihany ny teny Ambohitrimanjaka. Teny Imerinkasinina no nivavaka sy nanamarika ny fetin’ny paska ny alahady lasa teo izy sy ny fianakaviany ary tsy nanadino nitsidika ny tanàna nahabe azy. Nitodi-doha tany amin’ny faritra Vakinankaratra indray izy sy ny fianakaviany ny alatsinain’ny paska, nijery ny zava-misy sy niara-nifety tamin’ny vahoaka. Teo aloha ny fijerena savik’omby tao Andranomanelatra ary anisan’ireo nanatrika ny fety be tao an-tampon-tanànan’Antsirabe tahaka ny mitranga rehefa fetin’ny paska ihany koa i Marc Ravalomanana. Tsy nisy ny fanambarana politika nataony fa ny tsikaritra fotsiny dia manakaiky hatrany ny vahoaka izy ary mbola mamy hoditra eo amin’ny fiarahamonina sady tsy misalasala miresaka sy mitafa mivantana amin’ny olon-drehetra; tena faly aho hoy i Marc Ravalomanana miara-mifety amin’ny vahoaka eto Antsirabe ary mirary so any vahoaka Malagasy amin’izao fetin’ny Paska izao ..vanim-potoana izay midika ho fotoam-pahafahana sy fotoam-pamonjena ho an’ny rehetra. Inoana fa mbola hisy ihany fotoana hanambaran’ity filoha teo aloha ity ny heviny manodidina ny raharaham-pirenena, indrindra mahakasika ilay lalàm-pifidianana izay handalo eny Tsimbazaza indray anio mba hodinihana sy holanian’ireo solombavambahoaka.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT