Nanatanteraka fambolen-kazo tany Mahereza ny mpino FJKM ny sabotsy 2 novambra teo, ka lohalaharana ny filohan’ny komitim-pankalazana ny faha-50 taona Marc Ravalomanana.
Nialoha iny anefa dia nisy ny fangatahana avy amin’ny ny Synaodam-paritany Afovoany Andrefana, Fitandremana Fanavaozana sy ny avy amin’ny Kaominana Mahereza taminy ny mba hanamboarana ny lalana mirefy 6 km, izay hita fa sakana tamin’ny mety hahatongavan’ny olona tany an-toerana satria fotoam-pahavaratra rahateo ny andro. I Marc Ravalomanana amin’ny maha filohan’ny komitim-pankalazana ny faha-50 taonan’ny FJKM no niantefan’ny fangatahana, ka tsy nisalasala izy, fa namaly tamin-kitsim-po izay fangatahana izay, ary mbola nitohy tamin’ny fiaraha-nientana tamin’ny mpino marobe nanefa ny adidiny tany an-toerana. Asan'ny fiangonana sady adidin'ny tsirairay ny mitandro ny tontolo iainana, mitsinjo ny mpiara-belona sy ny taranaka faraman-dimby, hoy i Marc Ravalomanana. Tonga dia miasa avy hatrany fa tsy misy andraso andraso, ary izay no toetra hiavahan’i Marc Ravalomanana amin’ny maro. Tsy mikely soroka amin’ny fanamboarana ny kolejy teolojika eny Ivato ny tenany ankehitriny ary efa fanamby niaraha-nametraka tamin’ny mpino FJKM rahateo ny hahavitany. Io no tsangambaton’ny fankalazana ny faha-50 taona ny FJKM, ary efa misy ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa matanjaka amin’ny fanatanterahana azy io an-tsakany sy an-davany. Tsy amin’ny fiangonana ihany fa amin’ny firenena, dia efa izay foana no fomba fiasa napetrany hoe raha mbola misy ny azo atao dia manao sy mitady izay fomba rehetra. Tsy olon’ny olana rahateo i Marc Ravalomanana, ka tsy mahagaga raha mipetraka hatrany ny anarany na eo anivon’ny firenena na ao anatin’ny fiangonana, izay tsy afa-misaraka amin’ny ankapobeny. Oloben’ny fiangonana FJKM i Marc Ravalomanana, ary tsy mikely soroka amin’ny adidy aman’andraikitra. Omaly alahady ny tenany dia niara-niombom-bavaka tamin’ny mpino tao amin’ny Fjkm Ambohimena Fahasoavana, synaodam-paritany Antananarivo Andrefana. Hankalaza ny faha-10 taonany ny fitandremana amin'ny taona 2018, ka lohahevitra amin’izany ny hoe «Ampy ho anao ny fahasoavako», II Kor 12-9.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.