Actualités

Marc Ravalomanana Tena niady tamin’ny delestazy


  • Alatsinainy 17 Aogositra 2015

Hanapaka jiron’ny minisitera telo dia ny an’ny fitantanam-bola, ny angovo ary ny rano ireo mpiasan’ny Jirama mitokona, amin’ity anio ity.

Mananika ny 2 miliara Ariary ny faktiora tsy voaloan’ireo raha ny filazan’ireo mpitarika ny fitokonana. Efa tokony notanterahin’izy ireo tamin’ny zoma moa izy ity saingy tsy maintsy atao manara-penitra, misy fampilazana mialoha an-tsoratra mialoha ny hanapahana, hoy hatrany izy ireo.

Taorian’ny nanomezan’ny fanjakana Rajaonarimampianina ny fitantanana mandritra 20 taona ny foibe famokarana herinaratra etsy Mandroseza ho an’ny orinasa amerikanina Symbion Power no tsy zakan’ny mpiasa, ka niteraka an’ity grevy lavareny eo anivon’ny Jirama ity. Raisin’izy ireo ho famarotana tanindrazana ny fanatanterahana izany.

Nahavita asa

Raha vao miresaka an’i Mandroseza dia ny anaran’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana no ao an-tsain’ny maro. Tamin’ny fitondrany no nanorenana azy io, fiaraha-miasa amin’ny orinasa mpanamboatra gropy Wartsila, mamokatra 40MW nentina nanazava an’Antananarivo sy niadiana tamin’ny delestazy. Nisy ihany koa ny foibe famokarana herinaratra azo avy amin’ny rano tao Sahanivotry mamatsy an’Antsirabe. Mbola tamin’ny andron-dRavalomanana ihany koa no nanorenana azy, vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina. Ankoatr’izay dia efa tamin’ny 2005 ny fitondrana Ravalomanana no nanana ny vina hampihodina ny milin’ny Jirama amin’ny alalan’ny solika avy eto Madagasikara izay trandrahana ao Tsimiroro; 2015 isika izao misy ny fandaharanasa goavana fananganana toeram-pamokarana herinaratra any Tsimiroro eritreretin’ny Symbion Power atao.

Nopotehana ny ezaka

Nisy ezaka efa natao teto hanavotana ny Jirama amin’ny lafiny rehetra saingy vao tonga ny tarik’i Andry Rajoelina tamin’ny tetezamita, ka nametrahany an’i Haja Resampa ho filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Jirama sady Sekretera jeneralin’ny prezidansa, dia nihamaizina Antananarivo ary io tsy voavaha hatramin’izao ny olan’ny delestazy eto. Ny rano moa, dia tamin’ny fitondran-dRavalomanana no nananganana minisiterany manokana hisahana izany, hanamora ny fahazoan’ny mponina rano. Ka iza no tena nambotry ny Jirama teto e ?

Ra-Bri


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT