Actualités

Marc Ravalomanana Tafaverina ny fiarany


  • Talata 10 Janoary 2017

Miverina tsikelikely amin’ny tompony ireo fiaran’ny orinasa Tiko sy ny fianakaviana Ravalomanana nisy naka na nandroba tao anatin’ny fanonganam-panjakana 2009, taorian’ny antso nataony tamin’ny taon-dasa hamerenana ny fananan’ny Tiko nisy naka.


Taorian’ireo fiarabe sy kamiao nisy namerina na nalaina ka natoby teny amin’ny Magro Tanjombato dia efa tafaverina amin’ny fianakaviana Ravalomanana tompony ihany koa izao ilay fiara tsy mataho-dalana sady tsy laitram-bala “blindé” marika Mercedes miloko mainty, nalaina mpanao politika iray ary hita teny Andoharanofotsy teny. Fiara fampiasan’i Marc Ravalomanana fony izy teo amin’ny fitondrana izy ity, ary nitondrany ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana Kofi Annan mivady nitety ireo faritra manan-tantara fony ireto farany nitsidika ofisialy an’i Madagasikara tamin’ny volana martsa 2006.

 Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT