Nankalaza ny tsingerintaona nahaterahany niaraka tamin’ny fianakaviany notronin’ireo tapaka sy namana ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc ny sabotsy 12 desambra 2015 teny amin’ny trano fonenany Faravohitra.
Sambany moa no niara-paly indray tamin’ireo olona akaiky azy teto an-tanindrazana ny tenany rehefa tsy afaka nanao izany tao anatin’ny enin-taona maninjitra nisian’ny korontana politika teto Madagasikara. Fotoana nilazany ny heviny sy ny fomba fijeriny ny zava-misy eto amin’ny firenena ihany koa io tamin’ny sabotsy io.
5 taona tsy nipetra-potsiny
Safidin’i Dada Ravalomanana manokana ny nipetraka tao Afrika Atsimo nandritra ny 5 taona nanakanana azy tsy hiverina hody eto amin’ny firenena fiaviany. Tsy nipetra-potsiny ny tenany nandritra izany fa niezaka nikaro-bahaolana hamoahana an’i Madagasikara tao anatin’ny krizy niniana novolena. Azo ambara fa nody ventiny ihany ny rano nantsakaina satria nivaha amin’ny ampahany ny fifanolanana politika taorian’ny fahavitan’ny fifidianana samihafa nanomboka tamin’ny taona 2013. Mbola manohy ny ezaka fitadiavam-bahaolana fanoloran-tanana ny fanjakana mahefa hatramin’izao ny filoha teo aloha ho tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy.
Miroso hatrany
Fanirian’andriamatoa Ravalomanana Marc sy ny fianakaviany ny hampihodina indray ny vondron’orinasa Tiko ho fanampiana ny mpiara-belona. Tsy nitsahatra ny nangataka fihaonana sy fifampidinihana teo amin’ireo tompon’andraiki-panjakana mahefa ny tenany hatramin’ny niverenany teto an-tanindrazana ny volana oktobra 2014. Tsy mbola nisy anefa hatreto valiny mahafa-po avy amin’ny mpitondra fanjakana. Toa fingampingana sy sakantsakana samihafa indray no setrin’ireo fiantsoana fiaraha-miasa. Hiroso hatrany fa tsy hihemotra amin’ny finiavana sy ny fahavononany hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanasoavana ny mpiray tanindrazana anefa i Dada, araka ny nambarany nandritra ny lahateny fohy nataony. Arakaraka ny hanakanana sy hanaovana antsojay amiko no vao miha mampiezaka ahy hanao asa tsara kokoa hatrany, hoy i Marc Ravalomanana. Ho porofon’izany dia efa hita sahady, hoy izy ny vahaolana amin’ny resaka herinaratra hampihodinana ny ozinin’ny Tiko ao Andranomanelatra satria efa tonga ny fitaovana raitra sy arifomba avy any ivelany nomen’ireo mpiara-miasa sy mpiara-iombon’antoka.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.