Actualités

Marc Ravalomanana Niantso firaisankina sy fiaraha-miasa


  • Alatsinainy 07 Aogositra 2017

Feno dia feno ny fandaharam-potoan’i Marc Ravalomanana ny herinandro lasa teo iny ; 5 andro izy no nitsidika ny faritra atsimo atsinana sy atsimon’ny nosy iny.Nisy aloha ny kongresim-paritry ny Tiako i Madagasikara notanterahana tany Manakara ny alakamisy 3 aogositra narahana fanofanana ireo mpikambana TIM.

Tsy ataotao foana ny politika sy ny asa fampandrosoana ny firenena,hoy i Dadavalo fa mila antoko matanjaka sy olona mahay ary manana paikady mazava tsara.Ho tohizana amin’ny faritra rehetra manerana ny nosy io fanofanana ny mpikatroka TIM io ; nisy ihany koa ny fihaonana tamin’ireo olon’ny Tiako i Madagasikara tao Mananjary sy ny fijerena ifotony ny fiainan’ny mponina amin’iny faritra iny iza hita fa maro tokoa no sahirana.Ny kongresim-paritra ho an’i Vatovavy Fitovinany sy atsimo atsinanana izao notanterahana tany Manakara izao.Faly no sady velom-bola tamin’ny ankapobeny ny olona nifanena tamin’i Marc Ravalomanana ary manantena ny fiovana ho entiny, izy izay namerimberina tamin’ny toerana rehetra notsidihany fa zava-dehibe ny firaisankina sy ny fiarahamiasa ; ilaintsika ,hoy izy raha nitafa tamin’ireo mpikambana TIM izy ny fisokafana amin’ireo olona sy fikambanana samihafa.Tsy antoko manidy trano ny TIM.

Olon’ny Fiangonana

Fa nanatrika ny famaranana ny fihaonamben’ny Sampati – FJKM tao Mananjary ihany koa i Marc Ravalomanana amin’ny maha filohan’ny komity fankalazana ny jobily faha 50 taonan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara ny zoma 4 aogositra teo ; mila mitoetra amin’ny finoana ary tokony hahatoky tena ny ankizy sy ny tanora, hoy izy.Namaranana ny dia tany atsimo ny fanaterahna ny fihaonamben’ny Dorkasy tao Toliara ny sabotsy sy omaly alahady.Nisy ny fanentanana natao amin’ny asa lehibe atao tsangambaton’ny faha 50 taonan’ny FJKM ; nanentana ny mpino amin’ny fanatrehana ny fankalazana ny jobily atao any Antsiranana manomboka ny 18 aogositra izao ihany koa i Marc Ravalomanana  satria andro lehibe sy manatantara ho an’ny Fiangonana io fotoana io.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT