Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny 12 novambra teo ary tsy hifarana raha tsy ny 17 novambra izao ny fivoriana karakarain’ny firenena mikambana mikasika ny fiovaovan’ny toetr’andro na ny « COP 23 », izay tanterahina any Bonn any Alemana.
Firenena an-jatony sy tanàn-dehibe maro no mandray anjara amin’izany, ka manana solontena ny tanànan’Antananarivo amin’ny alalan’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy mpanolotsaina manokana, ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Anisan’ny firenena mizaka ny vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro rahateo i Madagasikara, ka ny tanànan’Antananarivo manokana dia miezaka ny mitondra fomba fijery vaovao amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny fambolena an-tanàn-dehibe, izay nahazoany loka farany teo. Anisan’ny toe-javatra lehibe nahafantaran’izao tontolo izao bebe kokoa an’Antananarivo iny loka miezinezina iny ary mitohy hatrany ny fikatsahana ny soa ho an’ny tanàna.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.