Actualités

Marc Ravalomanana Mijoro hatrany ho Raiamandreny


  • Alatsinainy 06 Septambra 2010


“Hala-tahaka tamin`izay natao tany Mauritania no atao eto Madagasikara, ary La Frantsa no ambadik`izany”, hoy Rakotovazaha Olivier.Fifidianana simika no natao tany, hoy izy, nanaovana ilay bileta tokana, ka rehefa ela ao anatin`ilay boaty dia nanjavona ny safidy ka dia nandresy izay tsy voafidim-bahoaka. Ankoatra izay dia nanao antso avo tamin`ireo miaramila ny tenany hitady izay nividy ireo helikoptera efatra sy nivarotra ireo hazo sarobidy, toy ny andramena. Tetsy andanin’izany dia nambaran`ity Sekretera jeneralin`ny antoko MFM ity fa tsy mitady seza ny ankolafy Ravalomanana. “Ny mahamaika anay dia ny famerenana ny ara-dalàna”, hoy izy. Koa raha tsy mbola miverina Radidy sy Ravalo dia tsy hisy fihaonambem-pirenena vanona izany eto, hoy ihany izy. Manao amboletra manko, araka ny fanazavany, ny Raiamandreny najoro hametrahana Mpanjaka vaovao ka mikasa hamory olona an`arivony. Ankilan`ìzany dia nambarany fa lasa eo ambany fiahian`ny fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita avokoa ny ankamaroan`ny ministera rehetra. Tsy misy ny vola fa resabe ny filazana fa fitsitsiana no atao amin`izao.

Nangonin`i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT