Actualités

Marc Ravalomanana Miantso fifanampiana


  • Alarobia 02 Aogositra 2017

Tsy niandry ela ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana mivady fa tonga nijery sy nampahery avy hatrany teny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha, raha vao nahare ny zava-doza niseho tany Anjozorobe nihatra tamin’ireo tanoran’ny fiangonana FJKM avy any amin’ny faritra Soavinandriana.

 

 Niantso ny fifanampiana sy fifanomezan-tanan’ny rehetra ny tenany. Vonjy aina ity, ka izay azo atao dia atao, hoy I Marc Ravalomanana. Miantso izay malala-tanana rehetra hanampy izy, ary tsy tokony hijerena endrik’iza na iza izany fa maika ity, hoy hatrany i Marc Ravalomanana. Hatramin’ny sehatra iraisam-pirenena no hantsoina hanolo-tanana satria tena sahirana sy mahantra tanteraka ny Malagasy amin’izao fotoana izao, kanefa mbola tojo izao fahasahiranana izao. Nampahery ireo naratra sy nirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’ny mana-manjo ny filoha teo aloha sy ny ben’ny tanànan’Antanarivo nandritra izany. Marihina moa fa manana adidy lehibe eo anivon’ny fiangonana FJKM i Marc Ravalomanana amin’ny maha Filohan’ny Komitim-pankalazana ny faha-50 taona azy.  Anisan’ireo olona tonga voalohany nijery ny zava-misy teny amin’ny “Urgences” n’ny HJRA omaly vao maraina Atoa Marc Ravalomanana sy Ramatoa vadiny ary ireo mpiara-miasa akaiky aminy, nankahery no sady nanampy ireo niharam-boina.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT