Mitohy ny dian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana any Korea Atsimo. Raha niompana tamin’ny toekarena ny dia tatsy Maorisy sy Danemark dia niitatra amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena izany any Séoul
. Omaly, taorian’ny fiarahany mivavaka tamin’ireo mpino ao amin’ny Yederm Church ao Séoul renivohitr'i Korea Atsimo dia nandray anjara tamin’ny hetsika ho amin’ny fampitambarana an’i Korea Atsimo sy Korea Avaratra izy. Nisy ny fotoam-bavaka nanamarihana izany natao tao Odusan, any amin’ny sisintany manasaraka ny firenena roa tonta ; vavaka hampitambarana indray ny Korea roa tonta ary koa vavaka ho an'ny firenena rehetra erantany hanjakan’ny fandriampahalemana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.