Actualités

Marc Ravalomanana Hitory an’ny Prefe ny TIM


  • Alatsinainy 10 Jolay 2017

Tsy niandry ela fa omaly hariva ihany dia nanambara i Marc Ravalomanana fa tsy maintsy hitory an’ny Prefen’Antananarivo ny Tiako I Madagasikara (TIM) noho ny fandavany hanatanteraka ny didim-pitsarana.

Hotoriana koa ny mpitandro ny filaminana. Nahazo rariny teny amin’ny fitsarana ny zoma teo ny TIM ka afaka mampiasa tsara ny kianjan’i Mahamasina. Naterin’ny vaditany teny amin’ny mpitandro ny filaminana teny Ankadilalana ny taratasy mirakitra io didim-pitsarana io saingy tsy nety nandray ry zareo. Ny fandavana hanatanteraka ny didim-pitsarana no mahatezitra ny olona ka mahatonga ny fitsaram-bahoaka etsy sy eroa hoy i Marc Ravalomanana. Mampalahelo fa dia nampiseho ohatra ratsy ho an’ny vahoaka ny mpitandro filaminana,hoy izy.Fantatra fa hitory ihany koa ny kaominin’Antananarivo renivohitra noho ny fanagejana ny fananany sy ny fidirana an-kery tao ny alarobia alina teo.Na ahoana na ahoana tsindry nihatra tamin’ingahy Préfet dia tsy tokony ho nanaotao foana tahaka ireny izy, hoy i Marc Ravalomanana. Tsara raha mba mivoaka any ivelany mijery ny fomba fanaon’ny olona ny prefen’Antananarivo, hoy izy satria misy fepetra sy lalàna ny zavatra rehetra fa tsy hoe rehefa manampahefana dia afaka manao izay tiany. Mila miala ny prefe fa tsy nety ny nataony, hoy ny filoha nasionalin’ny TIM izay hentitra tokoa teny Faravohitra omaly raha niresaka tamin’ny mpanao gazety.Tsy mbola vita ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny TIM fa hitohy ary hitety faritra raha ny nambaran’i Marc Ravalomanana omaly hatrany.


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT