Actualités

Marc Ravalomanana Atao izay tsy hananany vola !


  • Alakamisy 12 Martsa 2015

Tsy mbola misy fivoarany mihitsy hatreto ny momba ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, raha araka ny fantatra dia mbola manankery hatramin’izao ilay didim-panjakana managadra azy ao an-tranony. Mbola nogiazan’ny fanjakana malagasy ihany koa ny kaontiny any amin’ny banky ary tsy mbola eny am-pelatanany ny pasipaorony.


Migadra hatramin’izao

Ankoatra ireo, dia re ihany koa fa tsy mbola mandray ny karamany (vola fisotroan-dronono) amin’ny maha filoha azy teo aloha Atoa Ravalomanana, kanefa efa misitraka io tombontsoa manokana io ireo filoha teo aloha hafa. Raha ny tsiliantsofina re dia manodidina ny 10 tapitrisa ariary isam-bolana no omen’ny fanjakana ho karaman’ireo filoha teo aloha. Miankina feno amin’ny filoham-pirenena ny fanapahan-kevitra momba ity filoha teo aloha ity, ka matoa tsy misy izany ny fivoaran’ny toe-draharaha dia tsy mbola nanome ny baiko ho amin’izany ny filoha Rajaonarimampianina. Raha ny fahitana azy dia toa misy ny fikarohana hevitra sy paikady mba tsy hananan’i Marc Ravalomanana vola eo am-pelatanany mihitsy, mba tsy hahafahany mihetsika sy manao politika angamba, hoy ireo mpanara-baovao.

Politika hafahafa

Etsy an-kilan’izay, fihinin’ny fitondram-panjakana ho azy samirery ny vokatr’ilay fanadihadiana nataon’ny fanjakana Afrikanina Tatsimo momba ny fomba nialan’i Marc Ravalomanana tany an-toerana sy nahafahany niditra teto Madagasikara. Mbola adihevitra be ny momba ity raharaha iray ity hatramin’izao. Moa ve tena tsy nahafantatra na inona na inona momba an’io mihitsy ny mpitondra ambony teto amintsika ? Azo ambara ho heloka ve ny fodian’ny olom-pirenena iray any amin’ny tanindrazany ? Ny mampanahy ireo mpomba an’i Dada dia sao ataon’ny fitondrana ho fitaovana hifehezany na hanindriany aloka an’i Marc Ravalomanana ny fanagiazana ny volany sy ny vokatr’ilay fanadihadiana ka izay no tsy hamoahany azy. Rehefa tonga kosa ny fotoana ilana azy ho amin’ny tombontsoan’ireo mpitondra dia avoaka ho fanta-bahoaka ilay izy ? Hita ho hafahafa ihany ilay politikan’ny fitondrana HVM fa sady milaza ny hihavana amin’ilay olona no mamely am-pitaka sy mandefona ivoho azy ihany.


RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT