Actualités

Maorisy Malagasy iray saika maty nitelina «héroďne»


  • Alakamisy 19 Aogositra 2010

Iray volana mahery izay no niteleman’ity teratany Malagasy ity fonosana héroďne manodidina ny 350 grama. Mba hahafahany nitondra ity rongony ity any an-toerana dia noheveriny fa tetika tsara ny hitelemana izany.

Tafiditra soa aman-tsara tany maorisy tokoa ny tenany ny 30 jona. Nanao izay tetika rehetra namoahana ilay rongony avo lenta anefa izy sy ny maorisianina izay nampiantrano azy saingy niala maina. Nanomboka nibontsina be ny kibony taty aoriana. Tsy maintsy nanatona hopitaly izy noho izany ka teo no nahasarona ny teti-dratsy rehetra satria andro vitsy lasa izay no nodidina ity teratany malagasy miketrika ity. Nosamborin’ny polisy any an-toerana avokoa moa ny olona tao amin’ity trano nipetrahnay ity tahaka ny rahalahin’ilay mpampiantrano sy ny anabaviny iray hafa. Amin’izao fotoana izao dia tsara ambina eny amin’ny toeram-pitsaboana ilay teratany malagasy ary efa misokatra ho azy ny varavaran’ny fonja any Maorisy. Anisan’ireo firenena tena sarotiny amin’ny ady amin’ny zava-mahadomelina mantsy i Maorisy. Rakotoarisoa Ndrenato moa no anaran’ity Malagasy ity. 

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT