Tian’ny mpitondra hofehezina ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara satria tsapany ny tanjany sy ny antom-pisiany, izay hery lehibe faha-4 eto amin’ny firenena. Manohintohina ny fitondrana amin’ny ankapobeny ny fisian’ny orinasan-tserasera tsy dia mitovy firehana aminy eo amin’ny famoaham-baovao, fa tiany hidokadoka sy hanafotsy ny efa mainty avokoa ny rehetra.
Tsikaritra ho misy hatrany ny fitanilana satria ny hafa fehezina tsy havela hisokatra, ary malalaka kosa ny an’ny olon’ny mpitondra ny fanokafana orinasan-tserasera. Miroborobo tanteraka ka hatramin’ny haino aman-jerim-panjakana aza toa lasa fananan’ny antoko HVM. Tsy mahatafavoka baolina amin’ny fanazavana sy fandresen-dahatra ny vahoaka manoloana ireo ambara fa tetikasan’ny filoham-pirenena sy ny fahombiazan’ny governemanta anefa izy ireo. Toa mamono afo sy miaro fatratra ny fanjakana manoloana ny zavatra tsy mety sy afera maizina vaky bantsilana isan-karazany no anton-draharahara, saingy tsy mahomby satria efa tena be loatra ny zavatra tsy manjary ataon’ity fanjakana ity, ka ny afera hafa tsy miravona ny eo misosoka ihany. Mpanolotsain’ny filoha sy tandapa ny ankamaroan’ny tompon’izy ireny, kanefa tsy tanteraka ny iraka hampanaovina azy fa mba hanamorana ny bizina no tena antom-pijoroany sy hanohanany ny fanjakana. Rehefa tsy tanteraka izay famotsiana ny mainty izay, dia ireo orinasan-tserasera manelingelina sy sahy mamaky bantsilana ny afera maloto sy tsy mety ataon’ny fanjakana no ezahina fehezina. Niandoha tany amin’ny lalàn’ny serasera ny fifanoherana nanomboka ny taona 2016. Io miteraka tsy fitovian-kevitra io indray ny fitsabahan’ny minisitera amin’ny asa voalaza fa tokony ho anjaran’ny Holafitry ny mpanao gazety, dia ny fanomezana karatra maha matihanina. Tsara ny manamarika fa laharana faha-57 amin’ny firenena 180 i Madagasikara eo amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety tamin’ny taona 2017. Sarotra ny fahazoana loharanom-baovao ofisialy eto Madagasikara, hany ka rehefa vaky bantsilana ny raharaha iray aorian’ny fanadihadiana lalina vao mitady hirika hanenjehana na handisoana ny vaovao avoakan’ny mpanao gazety ny mpitondra fanjakana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.