Actualités

Manoro Régis Hananatra ny mpampianatra sa hanarina ny sekolim-panjakana ?


  • Zoma 05 Oktobra 2012

Anisan’ny fanontaniana apetraky ny ankamaroan’ny mpampianatra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra ao Amoron’i Mania izany nanomboka hatramin’ny alarobia teo izay nandrenesana fa ho avy hitety Cisco ao Amoron’i Mania ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, Manoro Régis.

 Araka ny fantatra dia maro ireo sokajin’olona ao Amoron’i Mania no miandry ny fahatongavan’ity Minisitra ity saingy izao vao ho tanteraka. Anisan’ireny ny mpampianatra SEMPAMA nitokona nandritra ny dimy volana maninjitra, ny mpampianatra FRAM sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra ary ny vahoaka amin’ny ankapobeny. Tsy mbola fantatra mazava hatry ny omaly alakamisy 04 oktobra hariva nahatongavany tao Ambositra ny fandaharam-potoan’Atoa Manoro Régis hitety ireo Cisco 4 ao Amoron’i Mania. Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitry ny fampianarana iray tao Ambositra anefa dia ny Cisco Fandriana no handray azy voalohany anio zoma 05 oktobra.

Hisy ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny Lehiben’ny Cisco vaovao sy fihaonana amin’ireo mpanabe ao Fandriana. Hitohy any amin’ny Cisco Ambatofinandrahana ny fitsidihana hataon’Atoa Minisitra ny sabotsy 06 oktobra, any Manandriana ny alahady 07 oktobra, fihaonana amin’ireo mpanabe sy tompon’andraikitry ny fampianarana ary fijerena ireo fotodrafitrasan’ny fampianarana no anton-dia amin’ireo. Ao Ambositra renivohitry ny Faritra no hanombohana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pianarana 2012-2013 ny alatsinainy 08 oktobra ho avy izao, mbola Atoa Minisitry ny fanabeazam-pirenena hatrany no hitarika ny lanonana rehetra. Marihana fa efa nivoaka avokoa ny voka-panadinana ara-panjakana rehetra tao amin’ny Faritra Amoron’i Mania izay hita nisy fidinany raha mitaha tamin’ny taon-dasa. Aorian’izao fandalovan’Atoa Minisitra izao dia andrasana na mbola hitohy na tsia ny fitokonan’ny mampianatra izay nambaran’ny ankamaroan’ny mpiadina tsy afa-panadinana fa antony tsy nahafahany. Ho hita eo ny tohiny.

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT