Mitatra tahaka ny sima misioka ny olana eo anivon’ny fampianarana ambaratonga ambony. Taorian’ny fitakian’ireo mpampianatra eny Vontovorona ny amin’ny tokony handoavana ny tambin-karaman’izy ireo, dia namoaka fanambarana tsy mifanalavitra amin’izany ihany koa ireo mpampianatry ny oniversite ao Toliara.
Manome fe-potoana ny fitondrana FAT hatramin’ny 31 jolay izao izy ireo hampihatra ny didy fampiharana ireo didim-panjakana laharana 2009-1214, 2009-1215 ary 2009-1216 nivoaka tamin’ny 6 oktobra 2009, voasoratra sy voasonian’ny mpitondra fanjakana. Manodidina ny tombontsoa sy karama ary fanampiana ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversite amin’ny asa ataony izany. Araka ny fehin-kevitra navoakan’ireto mpampianatra avy ao amin’ny oniversiten’i Toliara ireto ihany dia hihamafy kokoa ary hiparitaka manerana ny nosy ny hetsika atao raha toa ka tsy misy ny valiny mahafa-po ny fitakian’izy ireo. Tafiditra ao anatin’izany moa ny tsy fandraisan’anjara amin’ny fikarakarana ny fanadinana bakalôrea izay eo ambany fiahian’ny oniversite tanteraka ny fanatanterahana azy manerana ny nosy. Miantso ireo mpampianatra hafa avy amin’ny oniversite rehetra manerana ny nosy sy ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka (SECES) koa izy ireo mba hanambatra ny fehin-kevitra ka hihetsika ihany koa amin’ny fitakiana ny fampiharana izany.
Ny 9 jolay lasa teo no nivoahan’ity fanambarana avy amin’ireo mpampianatra mpikaroka eo anivon’ny oniversiten’i Toliara ity, taorian’ny fivoriana nandritra ny telo andro nokarakarain’izy ireo, izay nandinihana ny politika ankapoben’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny tontolon’ny asan’ny mpampianatra mpikaroka. Araka ny fanazavan’izy ireo dia mitarazoka loatra amin’ny fanapahan-kevitra ny governemanta ary tahaka ny mody fanina mihitsy tamin’ny zavatra efa nekeny sy nosoniaviny, ka izay no antony hirosoana amin’izao fitakiana miseho amin’ny endriny mafimafy kokoa izao. Raha sanatria izany tsy misy ny marimaritra iraisana eo amin’ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ireto mpampianatra eny amin’ny oniversite ireto dia ahiana ny hampikorontana na hampihemotra na tsy hisian’ny fanadinana bakalôrea mihitsy amin’ity taona 2010 ity. I Tongavelo Athanase, ministra misahana ny ambaratonga ambony moa dia efa nanambara tamin’ny herinandro fa manerana ny oniversite rehetra eto amin’ny Nosy mihitsy no misy olana, saingy miandalana ny famahana izany fa tsy azo teren-ko masaka toa voalobo-jaza. Tsy mora, hoy ihany i Tongavelo Athanase ny mamaha ny olana, indrindra fa raha resa-bola ilay izy fa tena mila fotoana sy fandaminana tsara. Dia ho hita eo ny tohiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.