Actualités

Manindry mafy ny fanjakana Tsy mbola kere ny any atsimo


  • Zoma 30 Oktobra 2015

Tsy mbola kere no hamaritana ny zava-misy any Atsimo amin’izao fotoana raha araka ny tatitra ataon’ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny mponina izay nidina nijery ny zava-misy tany amin’ny distrikan’Amboasary atsimo sy Ambovombe tamin’ity herinandro ity.

 

 Amboasary Sud, Ambovombe, Tsihombe, Amboanaivo et Beloha no notsidihan’ny delegasionina notarihan’ny minisitry ny mponina Onitiana Realy niaraka tamin’ny BNGRC ; nisy ny fihaonana tamin’ny mponina sy ny tompon’andraikira any an-toerana. Manamafy, araka izany, ny fitondram-panjakana fa tsy mbola nisy mihitsy hatreto ny olona matin’ny Kere any atsimo. Efa loza manambana anefa ny tsy fahampian-tsakafo noho ny hain-tany. Manomboka ritra ihany koa ny reniranon’i Mandrare izay hiankinan’ny ain-dehiben’ny mponina amin’iny faritra iny. Niantso ireo mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola mba hanome vahana ny fanohanana ny fambolena sy ny jono amin’iny faritra iny ny minisitra Onitiana Realy satria efa maina tsy azo hamokrana ny tany.Mitohy ihany koa ireo tetikasa mao samihafa ka anisan’izany ny « sakafo tambin’ny asa » ka olona 58 856 no mahazo tombotsoa aminy.Nitokana ireo trano miisa 90 ao Maroanakomby-Mandrosonoro ao anatin’ny distrikan’Ambatofinandrahana ho an’ireo fianakaviana nanolo-tena hifindra monina ihany koa nandritra izao diany mianatsimo izao ny minisitry ny mponina.

 


Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT