Raikitra indray ny fitokonan’ny mpianatra ao Maninday Toliara ary hafana toy ny toetr’andro any an-toerana izany.
Ny harivan’ny alahady 25 novambra teo noho ny fahatapahan-jiro lava izay tsy ahafahan’izy ireo mahandro sakafo sy mianatra no antony iray lehibe nahatonga ny grevy. Manampy trotraka izany ny fahataran’ny fandraisana ny vatsim-pianarana. Afak’omaly alina ihany dia raikitra ny barazy sy ny tohana ary ny sakana samihafa, manomboka eo amin’ny vavahady be hiditra eny Maninday ary efa manangona vato sahady ireo mpianatra hiatrehana ny mety hisian’ny fifandonana amin’ireo mpitandro filaminana sy ny mpamono afo. Hatramin’izao ora anoratanay izao dia tsy avelan’ireo mpigrevy miditra ny mpampianatra te hampianatra sy ireo mpandraharaha miasa eny an-toerana. Sahirana ihany koa ireo olon-tsotra sy mpitatitra mampiasa ny lalana miditra ao amin’ny faritry ny sekoly, mankany Beleboka sy Miary.
Nanambara sy nanazava ary nanamafy ny filohan’ny oniveriste, ny Pr Dina Alphonse, raha nihaona tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny trano fiasany, omaly ihany, fa «tsy miankina velively aminay mpitantana no antony nahatonga ny vatsim-pianarana ho tara, fa noho ny lisitry ny mpianatra avy amin’ireo mpampianatra, ka aoka tsy hifanilika andraikitra sy hifanome tsiny isika. Ny marina tsy azo afenina fa demokraty isika». Ny mampalahelo, hoy ny Pr Dina Alphonse dia «misy olona mampirisika sy manetsiketsika ireo mpianatra hitokona». Tonga teny Maninday moa ny avy ao amin’ny orinasa Jirama hamerina ny jiro, nefa nosakanan’ireo mpianatra, ka tsy afaka niditra. Milaza ireto mpianatra mpitokona ireto fa «ela nijaliana izahay ary tsy nihinan-kanina mihitsy noho ny afitsoky ny Jirama». Marihina moa fa dia mijaly sy miaina ao anatin’ny haizina tanteraka ny vahoakan’i Toliara amin’ity fahatapahan-jiro sy delestazy lava ity. Tsy antoandro io, tsy alina fa dia tapaka matetika tsy misy fampilazana mialoha ny jiro hatramin’ny rano mihitsy aza teo.
Manoloana ny fifidianana ho filohan’ny oniversite ny 20 desambra ho avy io, dia efa niely eran’ny tanàna sahady ny trakta izay mitaona ireo mpianatra hikomy. Misy amin’izy ireo no efa maimbo ra sahady sy te hanararaotra izao pitik’afo izao. Raha tsy voatsabo haingana izao toe-draharaha izao dia hatahorana hivadika zavatra hafa tanteraka toy ny tamin’ny taon-dasa tsy tsaroana iny, izay nakan’ireo mpianatra ankeriny nataon’izy ireo takalon’aina mpampianatra sy ny vady aman-janany.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.