Actualités

Mandroso mihemotra ny Seces Maty antoka ny mpianatra


  • Sabotsy 29 Aogositra 2015

Mandroso mihemotra ny mpampianatra mikambana ao amin’ny Seces. Nandritra ny fehin-kevi-pirenena tsy ara-potoana notanterahin’izy ireo omaly teny amin’ny « Akany Mariazy Mirindra » teny Ambohipo dia tapaka indray fa hahemotra amin’ny 14 septambra 2015 ny fe-potoana farany nomen’izy ireo ny fanjakana handraisana fanapahan-kevitra momba ny fitakiany.

 

Tambin-karama, tetiandro

Raha  adika amin’ny teny fohy izany dia  tsy  mbola hampianatra  ny mpampianatra  mpikaroky ny Seces  mandra-pahazoan’izy ireo valin-teny mahafa-po avy amin’ny  fanjakana. Hevitra  roa lenibe no  tena  misongadina  ao anatin’ny  fanambarana nataon’ny ny Seces dia ny  fitakian’izy ireo taratasy fanomezana antoka avy amin’ny minisiteran’ny Vola sy ny Tetibola  sy ny  minisiteran’ny Fampianarana Ambony  fa  hampidirina amin’ny  tetibola 2016 ny ho  fampiharana ny  didim-panjakana 2009-1214 sy ny 2009-1215, miaraka  amin’ny tetiandro mazava tsara mikasika ny fampiharana ny fandoavana ny  mari-karama  vaovao sy tambin-karama ary ny vary  mangatsiaka izay  mbola tokony  haloa.  Ambonin’izay  dia takian’izy ireo koa ny  handrindrana sy hampitoviana ny tetiandro ary ny famatsiana ny hoenti-manana rehetra amin’ny fampiharana ny  rafitra LMD. Ny akon’izay fanapahan-kevitry ny Seces  izay dia  mitohy  hatrany izany ny andro  tsy  ianaran’ny  mpianatra  eny Ankatso  izay mizaka tsy fidiny ny  fifandroritan-kevitra eo amin’ny Seces  sy  ny  fanjakana. Tsy fantatra  intsony  koa moa na tena  fifandroritan-kevitra marina  na vazaha mody miady ihany fa ny  minisitry ny Fampianarana Ambony anie ka  tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoam-panokafana ny   fehin-kevi-pirenena omaly e ! Lasa  fitakiana menamenatra ny an’ny Seces  ary etsy an-kilany ny  fanjakana manao be marenina. Manoloana  ity fanapahan-kevitry ny  Seces ity  dia  nanambara fa hivory ireo filohan’ny  fikambanan’ny mpianatra  ny alatsinainy  izao  hanapahana izay hataon’izy ireo indray.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT