Actualités

Mandroseza Fahorian’ny mponina ny fitadiavana tobim-pahasalamana


  • Alakamisy 28 Oktobra 2010

Fijaliana ho an’ny mponina eny Mandroseza sy ny manodidina ny fitadiavana tobim-pahasalamana raha misy olona sendra aretina na voina ka mila vonjy haingana.

Voafetra ho isaky ny maraina sy hariva ihany mantsy ny ora fisokafan’ireo “Cabinet médical” vitsivitsy misy ao an-toerana satria mamonjy asa aty an-drenihovitra avokoa ireo mpitsabo ny tontolo andro. Na any amin’ny Clinique Saint Paul Ambatoroka na any amin’ny Clinique miankina amin’ny fiangonana Othodoxe Alasora izay samy lavitra avokoa no mamonjy dokotera ny olona. Eo anatrehan’izany dia nanangana toeram-pitsaboana iray ao Mandroseza ho fitsinjovana ny vahoaka, izay miisa hatrany amin’ny 7000, ny fianakaviana iray. Navadika ho «Centre Médical Mandroseza» ny toerana fitsaboana nify izay efa nisy teo aloha ka ankoatra izay fitsaboana nify izay dia mandray an-tanana ny fahasalaman’ny zaza, manao ny fandidiana madinika sy mikarakara ireo vonjy aina ity tobim-pahasalamana ity. Manana toeram-pivarotana fanafody ho an’ireo marary koa izy. «Nahazo ny taratasy avy amin’ny ministera amin’ny maha manara-penitra ny toerana sy ny asa ataon’ny mpitsabo ato izahay. Fanambinay rahateo ny hanome kalitao tsara ny fitsaboana ny malagasy mba tsy hisy intsony ny laza ratsy an-gazety», hoy ny Dr Ramangason Voahirana, mpitsabo nify ao amin’ny Centre Médical Mandroseza. Mikasa ny hanitatra ny asany amin’ny fitsaboana maso sy ny fitarafana ny vatana na «échographie» ny Centre ao aoriana kely.  

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT