Actualités

Manao antsojay ny Prefe Mety tsy handray karama ny mpiasan’ny CUA


  • Sabotsy 10 Febroary 2018

Nanao fanambarana, omaly, ny Sendikan’ny Mpiasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (SMKAR), tamin’ny alalan’ny sekretera jeneraliny, Mamy Rafanomezantsoa.

Mikasika ny tetibolan’ny kaominina tsy mbola mivoaka atao fanamarinana ny maha ara-dalàna azy na tsia, na ny antsoina hoe : « contrôle de légalité », any amin’ny Préfet de Police hatramin’izao, no ipetrahan’ny ahiahian’izy ireo izao. Araka ny fanadihadiana nataon’ny sendikà, hoy izy, efa tamin’ny volana desambra 2017 no vonona ny tetibolan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nilaza anefa ny Préfet de Police tamin’izay fotoana izay fa tokony hahemotra volana janoary 2018 no fandaniana azy, miandry ny fahalanian’ny tetibolam-panjakana aloha. Lany tamin’ny volana janoary teo ny tetibolan’ny CUA ary efa nalefa any amin’ny prefektiora. Hatramin’izao anefa tsy mbola mivoaka any amin’ny Préfet na ekena na tsia ny maha ara-dalàna azy. Efa ho iray volana sy tapany, araka izany, ny CUA no tsy manana tetibola, noho izay antony izay, tsy afaka mampiditra na mamoaka vola ny mpitantana. Ahiana, hoy ny SMKAR ny tsy handraisan’ny mpiasan’ny CUA karama amin’ity volana febroary ity noho izay antony izay. Isaorana kosa anefa ny DCP (Direction de la Comptabilité Publique) nanome alalana manokana na dérogation tamin’ny volana janoary teo, ka nahafahan’ny CUA nandoa ny karaman’ny mpiasa. Miantso ny tompon’andraiki-panjakana ny SMKAR tsy hampiditra resaka politika ity resaka tetibola hampiasain’ny CUA amin’ity taona 2018 ity, fa lasa sorona ny mpiasa sy ny vahoaka, hoy izy ireo. Raha tsy handray karama ny mpiasa dia hiantraika amin’ny vahoaka izany satria ny kaominina dia manao asam-bahoaka. Amin’izao fotoana izao indrindra no fanaovana ny antontan-taratasy samihafa amin’ny fanadinana, sns...


Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT