Actualités

Manankarena indrindra eto Madagasikara Karana ny telo voalohany


  • Alakamisy 05 Novambra 2015

Eto Madagasikara no monina miasa sy mivelona ny olona efatra tafiditra ho anisan’ireo fianakaviana 25 manankarena indrindra aty amin’ny kaontinanta afrikanina

 

. Tsy  misy teratany malagasy amin’izy ireo na dia  iray aza na dia eto amintsika   aza no nahazo  ny  anaram-boninahitra. Ny fianakaviana manankarena indrindra aty Afrika ary dia  ny  fianakaviana  Baba Danpullo izay miasa  eo amin’ny sehatry ny tontolon’ny  fifandraisana sy ny  fivarotana  trano. Mahatratra  920 tapitrisa  dolara amerikanina ny tetibolany. Any amin’ny laharana fahadimy  no  ahitana an’i Yilas Akbaraly izay fantatsika amin’ny alalan’ny groupe Sipromad. Mitentina 710 tapitrisa dolara amerikanina ny fari-pananany. Izy izany no sokajiana ho manankarena indrindra eto Madagasikara. Manarakaraka azy ao i Hassanein Hiridjee (Ocean Trade,First Immo,Telma,Madarail) izay manana  vola   hatrany  amin’ny 705 tapitrisa dolara amerikanina. Any  amin’ny laharana  faha 11 indray  no ahitana an’i Iqbal Rahim izay tompon’andraikitry ny orinasa Galana. Ny volany kosa indray  dia mitetina  419 tapitrisa dolara amerikanina. Ary  mpandraharaha  fahefatra tafiditra amin’ity filaharana ity kosa ny fianakaviana  Henri Fraise  izay  tompon’ny  orinasa  Star sy  manana kaompaniam-pitaterana tsy miankina ihany koa. Laharana faha-23 no misy azy ary  eo amin’ny 208 tapitrisa dolara amerikanina  ihany koa ny volany.

I  Madagasikara dia  efa nisafidy ny politikan’ny  fanalalahana eo amin’ny  fampiasam-bola eto  an-toerana  ary  mampirisika  ny mpandraharaha vahiny hampiasa ny volany  eto  Madagasikara. Porofo  mivaingana ireo  mpandraharaha teratany  misongadina  eto Afrika ireo fa  mety ary  tokony hiroborobo ny fitadiavana  atao eto Madagasikara. Raha atao ny salan’isa  dia laharana  faharoa no misy an’i Madagasikara aty  Afrika aorian’i Kamerona izay firenena ahitana  mpanambola be indrindra. Fa ny  fanontaniana tokony hipetraka dia ny hoe  fa maninona no tsy  mba misy Malagasy (gasy ray sy gasy reny) tafiditra  amin’io laharana io. Izay mba  misongadina eto  amintsika  koa  moa ezahana ny mamotika azy toy ny orinasa Tiko SA.

Mila  fanovana betsaka ny lalàna  momba ny fihariana eto  Madagasikara. Ny  ady  amin’ny fandoavan-ketra sy ny fanomezana  ihany koa ny anjara  masoandron’ny  mpandraharaha malagasy  na eo  amin’ny  fampivelarana ny orinasany  izany  na  eo amin’ny fanomezana azy ireo  sehatra  fampindramam-bola miaraka  amin’ny  zanany  sahaza. Izany rehetra  izany tsy  misy  apetraky   ny fanjakana  ka izay efa manana ihany no manana  noho izy mahafehy hatrany amin’ny mpitondra izay tokony  mba hamela malalaka ny tsena  ho an’ny fifaninanana.


Andry Ratovo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT