Actualités

Mananjary Tafajoro ny « Association Vary sy Rano »


  • Alarobia 15 Novambra 2017

Tafajoro ary nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny sabotsy 11 novambra 2017 teo ny “Association Vary sy Rano” manana an’Atoa Andriamanampisoa Gégé Bernard ho filohany.

 

Ahitana olona 9 no mandrafitra ny birao ka any Mananjary no foibeny. Nofinidy ny anarana Vary sy Rano, hoy ny filohany, mba hanasongadinana fa tsy afaka misaraka amin’ny vahoaka mandrakariva ny “Association” amin’izay rehetra ataony. Tanjon’ny fikambanana amin’ny ankapobeny ny fampandrosoana ny distrikan’i Mananjary, mipaka amin’ny fampandrosoana ny faritra Vatovavy Fitovinany ary koa fampandrosoana manerana an’i Madagasikara manontolo.

Tamin’ny andro nitokanana azy dia nanohina sahady ny antson’ny raiamandreny Ampanjaka Berthin manatanteraka asa fanarenana ny Tranobe ao amin’ny kaominina ambanivohitra Tsaravary, 3 km miala an’i Mananjary, ny fikambanana. Nanolotra fanitso sy fantsika niampy “bois carré” sy raty ary rapaka nitentina 1.300.000 ariary ho anjara biriky amin’ny asa hatao izy ireo. Faly ny Ampanjaka sy ny vahoaka tarihany ka velom-pisaorana tanteraka azy ireo.

Fa tamin’ity dia notontosaina tany Mananjary farany ity dia nandritra ny herinandro roa voalohan’ny volana novambra 2017 no niarahan’Atoa Gégé Bernard filohan’ny MA.RA.MI niaraka tamin’ireo fikambanana hafa toy ny  UCDV, FITEMA, JIVA, FIVAMI sy olon-tsotra sy miaramila sivily ihany koa nanolotra ho an’ny komitin’ireo traboina tamin’ny hain-trano nahatsiravina nitranga tany Mananjary ny 23 oktobra farany teo ka nahamaizana trano niisa 600 isa ny vola 3 miliara ariary sy fitaovam-pianarana enina baoritra, vary 10 gony ary “balles fripperies” niisa 10, nitentina 3.079.000 ariary ny totaliny, voangona tamin’ny “telethon” nataon’izy ireo tetsy amin’ny tranombokim-pirenena teto Antananarivo ny 28 sy alahady 29 septambra 2017.

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT