Actualités

Mananjary Milamindamin-dratsy


  • Zoma 27 Martsa 2015

Fantatra fa efa nilamina ny tanànan’i Mananjary nanomboka omaly alakamisy. Nihaona tamin’ireo ampanjaka sy olobe ary ny havan’ireo maty ny minisitry ny fiarovam-pirenena sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena.

 


 

Mbola any Mananjary amin’izao fotoana izy mirahalahy ireo miampy ny lehiben’ny polisim-pirenena sy ny minisitry ny fitsarana, iraka manokana nalefan’ny fitondram-panjakana hamono afo ny fahatezeran’ny mponin’i Mananjary noho ny tsy fifehezan-tenan’ireo zandary namono olona. Andrasana eo amin’ny kianjan’ny fahaleovantena anio zoma ireo razana lavon’ny balan’ny zandary ary dia ny fanjakana no hiantoka ny lany rehetra amin’izany. Misy ihany anefa ny fianakavian’ny sasany amin’ireo namoy ny ainy no tsy manaiky ity fandaminana tsotsotra nataon’ny fanjakana ity. Midika izany fa tsy tena mbola milamina tsara ny toe-draharaha.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT