Andro maneran-tany anio 19 novambra araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana ny 24 jolay 2013.
Ny tanjona dia mba ho fanentanana ireo olombelona mahatratra 2,5 miliara maneran-tany izay miaina isan’andro amin’ny tsy fananana toeram-pivoahana. Ho antsika eto Madagasikara dia hiavaka ny hetsika ofisialy hotontosaina any Mananjary anio, izay nofidiana manokana na dia eo aza ny fomba amam-panao mbola somary manahirana ny mponina amin’ny fanangonana amin’ny toerana manokana sy iraisana ny dikin’olombelona. Efa nahavita kabone maromaro ny any an-toerana mba hialana amin’ny fangeren’ny mponina eny amoron-dranomasina mba hahasarika mpizahatany maro. Hisy, araka ny vaovao voaray ihany, fametrahana ny vatofehizoro ny fananganana toerana fidiovana ao amin’ny EPP Anovosira anio ankoatra ny fizaran-doka tamin’ny fifaninanana tanàna madio natao tany an-toerana. Efa voafaritra tany aloha, hoy ny tati-baovao, ny hanatrehan’ny filoham-pirenena ity lanonana any Mananjary ity saingy noho ny fandehanany nanatrika ny “London Road show” any Angletera dia ny solontenany no ho avy any Mananjary any.
Ntsoavina Evariste
.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.