An-taoniny maro isan’andro ireo legioma miainga avy ao amin’ny kaominina Ambohijanaka entina hamatsiana ny tsenan’Andoharanofotsy sy Anosibe.
Tato anatin’ny andro maromaro anefa dia nihena izany satria lo an-toerana avokoa ny vokatra vokatry ny ranon’orana diso tafahoatra nentin’ny rivodoza AVA. Zara raha misy sisa ireo legioma vatsian’ity kaominina ity tonga eny an-tsena. Ny biby fiompy sisa no voky, fa tsy ny olona intsony hoy ireo tantsaha mpamokatra. Anisan’izany ny ao amin’ny fokontany Manandona izay tena malaza amin’ny fambolena karazana legioma tokoa. Tsy feno telo volana dia efa norarafan’ny ranon’orana ka tsy azo antenaina intsony, hoy ireo tantsaha. Nanamafy moa izy ireo fa miteraka voka-dratsy amin’ny famatsiana legioma eto an-drenivohitra sy ny manodidina izao fahapotehan’ny legioma avy ao Ambohijanaka izao, antony tsy ahitana firy izany ao amin’ny tsenan’Anosibe ary raha misy aza dia tena vidiana lafo tokoa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.