Actualités

Mananara Avaratra sy Maroantsetra Mbola misy manapaka ihany ny « Bois de Rose »


  • Talata 17 Aogositra 2010

Mbola mitohy hatrany hatramin’izao ny fanapahana ny bolabola na andramena any amin’iny faritr’i Mananara Avaratra sy Maroantsetra iny, araka ny filazan’ny mponina any an-toerana. Na ny ministry ny tontolo iainana aza dia tsy nanda ny fisian’izany sy ny mbola fitohizan’ny fifezivezen’ny «bois de rose» eto Madagasikara sy ny fitadiavan’ireo mpanao trafika ny lalana rehetra hahafahana manondrana ny entana any ivelany.

Etsy ankilan’izay anefa dia tsy nisy intsony ny famoahana ny anaran’ireo olona manao ity raharaha fandripahana ny harem-pirenena ity. Zara raha nisy ireo anaran’olona telo nambara tapabolana lasa izay, dia niato tanteraka teto ny fampisehoana ny mangarahara amin’ity resaka ity na dia efa nanome baiko hentitra ny amin’ny hamoahana ny anaran’ireo tafiditra amin’ity raharaha maizina ity sy ny hisamborana azy ireo aza ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina. Raha ny fahenoana ny vaovao avy any amin’iny faritra avaratra atsinanan’ny nosy iny dia tahaka ny tany tsy misy lalàna mihitsy ny any an-toerana ary tsy te hahalala izay fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana ireo «mpanao bizina» fa manohy hatrany ny asa ratsiny. Maro amin’izao fotoana ny olona no velom-panontaniana ihany hoe : nahoana no tsy matahotra tahaka izany ireto mpandripaka ny hazo sarobidy malagasy ireto ary inona koa no antony tsy handraisan’ny manampahefana fepetra hentitra izay tanterahana faran’izay haingana. Tahaka ny hoe handefasana miaramila mihitsy any Mananara Avaratra sy Maroantsetra hisambotra avy hatrany ireo rehetra mbola sahy manapaka ny «bois de rose».

Araka ny resaka nifanaovanay tamina mpitandro ny filaminana iray efa misotro ronono dia tsotra ny fahitany ity raharaha ity sy ny tokony hatao manoloana izany. «Raha ny tokony ho izy dia tafiditra ao anatin’ny heloka bevava ary hampiharana ny sazy faran’izay henjana ny fanapotehana ny harem-pirenena izany. Tsy asan-jiolahy tsotsotra mantsy ilay izy fa efa tafiditra ao anatin’ilay hoe  grand banditisme, koa rariny loatra raha mirotsaka an-tsehatra amin’ny famongorana hatrany ifotony ireo mpandripaka ny ‘bois de rose’ ireo ny FIS, fa tsy avangongo eto an-drenivohitra hiambina Lapa fotsiny» . Maro ny olona efa mieritreritra izany, saingy sy nisy aloha hatramin’izao ny fanapahan-kevitra ny hiroso amin’ny fampiharana izany. Araka ny nambaran’ny ministry ny tontolo iainana ny faran’ny herinandro teo dia eo am-pandinihana ny paikady amin’ity trafikana «bois de rose» ity ireo ministera maromaro amin’izao fotoana. Ny mampanahy ny maro dia sao lahy, lany andro amin’ny resaka ambony latabatra isika, ny hazo tapaka anefa mitombo isan’andro, koa rehefa tsy misy ala intsony ve vao tena handray andraikitra !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT