Actualités

Mananara avaratra Olona 4 maty notifirin’ny zandary


  • Alatsinainy 23 Aprily 2018

Mifamahohafo be ny vaovao voaray mikasika ilay sakoroka nitranga tao Mananara avaratra izay mbola tsy milamina hatramin’izao.

Ny vahoaka nanontaniana sy ny ben’ny tanàna ao Mananara avaratra nilaza fa miisa dimy ny olona maty notifirin’ny zandary tamin’ireo sakoroka izao, sy misy olona dimy hafa maratra mafy voan’ny bala na kalaky ny zandary mbola tsaboina eo anivon’ny hopitalibe any an-toerana hatramin’izao. Teo koa ny fahenoana fa nisy zandary telo tratra ny fitsaram-bahoaka noho ity sakoroka ity koa maty nanaovan’ny fokonolona fitsaram-bahoaka. Ny zandary tamin’ny alalan’ny komandin’ny fari-piadidian’ny zandary Toamasina kosa nanamafy fa 4 ireo olona maty tany an-toerana nandritra ity raharaha ity ary  tsy nisy izany zandary matin’ny fitsaram-bahoaka izany na niezaka nanenjika zandary aza ireo fokonolona. Raha iverenana ny nahatonga ity sakoroka ity dia noho daroka nahafaty ny mpiasa nolazaina fa nangalatra ny volany 1.000.000 ariary nataon’ingahy R, izay mpiasana mpandraharaha vokatra fanondrana ao Mananara avaratra, tampon-tanàna no nitranga tamin’ny tanàna Antanagnivo 25 km miala ny kaominina ny raharaha. Nahare izany ny fokonolona tany an-toerana ka nikasa ny hanao fitsaram-bahoaka azy saingy tafatsoaka izy ary nanantona zandary indray nitory ireo fokonolona nanenjika azy. Raha nahare anefa ny fokonolona tao Antanagnivo fa ao amin’ny  zandary ao Mananara avaratra ingahy R dia nirohotra namonjy ny tobin’ny zandary izy ireo niaraka amin’ny sora-baventy ; teo no niatomboka ny savorovoro ary nitifitra ny zandary ka niteraka izao faty olona izao sy naharatrana olona maro hafa. Ny sabotsy ihany anefa ho fiarovana ny ny ain’ingahy R dia nohafahana ary nampandosirina izy, nefa mbola mikaroka azy ny fokonolona ka manao barazy amin’ireo lalana rehetra miditra sy mivoaka an’i Mananara avaratra, izay iarahan’izy ireo amin’ny fokonolona namany isam-pokontany.Mafana ny toe-draharaha.

 

Rakoutou 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT