Trano 20 tafo no levon’ny afo tao Ambohitradala Manakara ny 24 desambra tokony tamin’ny11 ora alina, andro nankalazana ny fahaterahan’ny Mpamonjy indrindra.
Tavin-jiro solitany niongana no voalelaky ny afo tao an-dakozia ka io no nitarika ny firehetana. Tsy voafehy ny afo, ka niitatra tamin’ireo trano manodidina. Saika vita amin’ny akora mora mirehitra rahateo ny ankamaroan’ireo trano ireo, ka nanamora ny firehetana sy ny fiitaran’ny afo. Soa aloha fa tsy nisy naratra na koa nisy aina nafoy fa ny fahapotehana no betsaka.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.