Varavarana mihidy ! Izay no misy ao amin’ny Kaominina ambonivohitra Manakara nanomboka omaly.
Vao maraina dia tonga ny miaramilan’ny Emmo-Reg nanidy ny varavaran’ny biraon’ny Ben’ny tanàna, ao ambony rihana, tsy hahafahan’i Andriano Giscard, miditra ao intsony araka ny teny midina nasaina notanterahin’ny Emmo-Reg. Tsy nanaiky mora izany ny mpomba ny Ben’ny tanàna, fa nanao izay nanidiana ny biraon’ny PDS, ao ambany rihana ihany koa ary dia nohidian’ny miaramila ny trano. Nikatso tanteraka ny asan’ny Kaominina noho izany. Niveri-maina avokoa izay manan-draharaha tokony hatao. Tsy miditra ny volan’ny Kaominina. Rehefa izay dia nitombo ny mpomba ny Ben’ny tanàna tonga teo amin’ny Kaominina, niambina amin’izay mety ho fisehon-javatra. Niaretan’izy ireo na hafanana na hanoanana ary tsy nisy niala raha tsy noravaina fotsiny ny tolakandro. Milaza ny mbola hifamotoana eo amin’ny kaominina izy ireo amin’ity anio ity. Mafanafana ny raharaha ao an-drenivohitry ny Faritra Vatovavy Fitovinany ankehitriny. Antomotra anefa ny fetin’ny 26 jona. Inona no hitranga ? Ny ampitso no hilaza azy !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.