Nanamafy tamin’ny antso an-tariby tao amin’ny radio Antsiva omaly ny PDS Sileny Alban notendren’i Manorohanta Cécile, ny 21 mey 2010, nialoha ny nanesorana azy tao amin’ny governemantan’ny FAT (Fahefana Avon’ny Tetezamita), hitantana ny kaominina Manakara, renivohitry ny Faritra Vatovavy Fitovinany, fa tsy hihemotra fa dia hotontosaina rahampitso zoma ny fametrahana azy amin’ny toerany na hisy manampahefana na tsy hisy.
Ny antony, araka ny nambarany tamin’io onjam-peo io, dia efa voazara avokoa ny fanasana, efa vonona ny omby hatao nofon-kena mitam-pihavanana sy ny fiaraha-misakafo hatao ao amin’ny Sidi Hotel, efa miomana amin’ny fanentanana ny eny amin’ny fokontany. Aminy dia midika ho tahotra an’i Marc Ravalomanana ny fihemoran’ny FAT amin’ny fametrahana azy amin’ny toeran’ny PDS ary koa fanomezana vahana ny zanak’i “Dada”, Andriano Giscard. Ben’ny tanàna amperin’asa ity farany ary voafidy tamin’ny isam-bato mazava 68% mahery tamin’ny fifidianana natao ny 12 desambra 2007. Etsy ankilany anefa dia milaza ny tsy hipetra-potsiny ny ankolafy telo ao Manakara. Araka ny antso an-tariby nifanaovana tamin’ny solontenan’izy ireo omaly dia mivonona amin’ny zavatra mety hitranga rehetra ry zareo, raha toa ka misy mikiribiby hanatanteraka ny fametrahana ny PDS rahampitso. Nanamafy koa ny solontenan’ny Anakavy Amy Reny fa “matoky ny tenin’ny Praiminisitra Camille Vital izay milaza fa tany tan-dalàna i Madagasikara”, izy ireo. Voafidim-bahoaka tamin’ny fomba ara-dalàna ary nahazo isam-bato maherin’ny 68% i Andriano Giscard, hoy ity solontena avy amin’ny Anakavy Amy Reny ity, ka nilaza fa “voahosihosy ny zonay nandatsa-bato nifidy azy raha toa ka hisy ny amboletra amin’ny fametrahana PDS ao Manakara”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.