Atoa Mamy Rakotoarivelo indray nanomboka omaly alakamisy 11 jona no tale jeneralin’ny vondron’orinasa MBS (Malagasy Broadcasting System) izay ahitana onjampeo sy fahitalavitra ary gazety an-tsoratra. Izy moa dia efa iarahan’ny rehetra mahalala ihany fa efa hatramin’ny 2001 no niara-dia tamin’Atoa Ravalomanana Marc izay filoha mpanorina ny Tiko
. Efa minisitra, solombavambahoaka, filohan’ny kongresin’ny tetezamita, filohan’ny delegasionin’ny ankolafy Ravalomanana i Mamy Rakotoarivelo, izay « expert comptable » ary tsy vahiny amin’ny resaka fanaovan-gazety sy ny tontolon’ny haino aman-jery. Goavana ny asa miandry ity tale jeneraly vaovao ity satria ao anatin’ny fanarenana tanteraka ny MBS ankehitriny ary mbola iharan’ny hasomparana ihany koa anefa amin’ny alalan’ny fanaovana olon-tsy fantatra « brouillage de fréquence » izay manembantsembana ny fandefasana ireo fandaharana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.