Actualités

Mamy Rakotoarivelo Tia nanampy, hoy ireo niara-niasa taminy


  • Alatsinainy 31 Jolay 2017

Anio no haterina eny am-pasan-drazany eny Talatan’i Volonondry i Mamy Rakotoarivelo izay nindaosin’ny fahafatesana ny zoma teo.

Eny Ambolokandrina no hiaingan’ny nofo mangatsiakany amin’ny 10 ora sy sasany maraina, handalo eny amin’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza ary hoentina eny amin’ny FLM Ambatovinaky amin’ny 1 ora antoandro hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Tia manampy ny hafa ity minisitry ny serasera sady efa filohan’ny kongresin’ny tetezamita teo aloha ity,  raha fintinina ny fanehoan-kevitr’ireo niara-niasa akaiky taminy.

Manandafy Rakotoniriana, filohan’ny antoko MFM: “ Manahirana ny saina ilay hoe in-droa nahenoana poa-basy. Ny mpanampy dia nandre fa tsy nahita ny zava-miseho, raha ny vaovao voalaza… Mampalahelo !”

Solofonantenaina Razoharimihaja, Filohan’ny antoko TIM teo aloha : “Niara-niasa izahay ny taona 2003 ary ny toetra nampiavaka azy dia izy tia manampy ny namana sy tia manampy olona. Tsy dia tiany loatra ny mitantara ny fiainany manokana. Hita soritra eny amin’ny endriny eny ihany hoe malahelo na faly fa tsy dia mitantara loatra izany izy.”

Fetison Andrianiriana, mpanao politika niara-niasa : “Hery nahitana vahaolana teto amin’ny firenena izy tamin’ny fotoan’androny. Tsy azo kosehina ary mendrika ny homem-boninahitra. Tadidintsika angamba fa tamin’ireny fotoana tsy nahafahako nanao ny adidiko ireny dia izy no nisolotena sy nandray andraikitra. Tso-piaina izy ary tsy tia nivilivily.”

Nangonin’i J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT