Manampahaizana manokana momba ny fikirakirana sy ny fanamarinana ara-bola na “Expert comptable” i Mamy Rakotoarivelo.
Mpiara-miombon’antoka tao amin’ny kabinetra Ramaholimaso ny taona 1994-1996. Nitazona ny toeran’ny Tale jeneralin’ny orinasa Midi Madagasikara ny taona 1994-2002. Efa nanao ny asana “Consultant freelance” tao amin’ny World Bank Group ny taona 2014-2015. Nitantana ny orinasan-tserasera MBS (Malagasy Broadcasting System) ary efa talen’ny orinasa Tiko tany Andranomanelatra Antsirabe. Efa filohan’ny federasionina Judo. Efa filohan’ny komity olimpika Malagasy (COM). Raha ny resaka politika kosa, dia tao anatin’ny Antoko Tiako I Madagasikara no tena nahafantarana an’i Mamy Rakotoarivelo, ary efa nitazona ny toeran’ny sekretera jeneralin’ny antoko nandritra ny naha filoham-pirenena an’i Marc Ravalomanana. Minisitry ny serasera tamin’ny fitondran’i Marc Ravalomanana ny taona 2002 (mey-desambra). Lany ho depioten’i Madagasikara tamin’ny anaran’ny antoko TIM tamin’ny 2002 ; rehefa raikitra ny fifandaminana tany ivelany noho ny krizy 2009 toy ny tany Maputo, dia izy no lehiben’ny movansy Ravalomanana ary izy no nanasonia ny tondrozotra tamin’ny 2011. Taorian’izay dia lasa filohan’ny kongresin’ny tetezamita tamin’ny alalan’ny movansy Ravalomanana i Mamy Rakotoarivelo ny taona 2011-2014. Niala tanteraka tao anatin’ny Antoko TIM kosa ny tenany ny taona 2016. Na izany aza anefa dia nanatrika ny fanamarihana ny faha-15 taonan’ny Antoko TIM teny amin’ny Carlton ny 8 jolay teo izy ary io no nahitana azy farany teo amin’ny tontolo politika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.