Nodimandry omaly zoma 28 jolay filohan’ny kongresin’ny tetezamita teo aloha Mamy Rakotoarivelo.
Nambaran' ny mpanampiny fa poa-basy in-2 no nipoaka tao amin'ny efitrano fatoriany. Raha ny zavatra hita teny amin’ny trano fonenany dia namono tena tamin’ny alalan’ny basy tao amin’ny efitrano fatoriany izy, saingy ny fanadihadiana no hamaritra izay tena marina, hoy ny mpitandro ny filaminana. Nentina natao fizahana teny amin’ny hopitaly HJRA ny razana omaly tolakandro. Nialoha izao toe-javatra izao dia nisy ny hafatra sy resaka nivoaka teo amin’ny kaonty “facebook” amin’ny anarany, izay mitantara resaka olana ara-pianakaviana sy ara-bola, dia ny nisarahany tamin’ny vadiny, Juliana Faralalao Andriambelo ny taona 2004. Tamin’ny teny vahiny izy io saingy toy izao raha adika tsotsotra amin’ny fiteny Malagasy : Ny fitsarana dia nanapaka fa zaraina ny fananana taorian’ny fisarahana, saingy tsy tanteraka raha tsy ny taona 2016 noho ny antony samihafa, ka rehefa nisy ny dinika tamin’ny lehiben’ny fampanoavana dia tapaka fa hozaraina ao anatin’ny fihavanana ny fananana iombonana. Efa nampiasa vola betsaka tao anatin’ny Midi Madagasikara aho ny taona 1994-2002 ary izaho no namokatra ny Midi Turf an’aliny isan’andro teo anelanelan’ny taona 1997-1999 ary nanorina ny Gazetiko, izay gazety mpivoaka isan’andro voalohany teto Madagasikara. Efa nifampiresaka tamin’ny rafozako Marthe Randriambelo, izay manana petra-bola betsaka aho talohan’ny nidirako tao anatin’ny Midi Madagasikara ary nifanarahana fa zaraina antsasany antsasany ny tombony. Niditra ny vola tamin’izany, ka na io rafozako io aza dia tsy te hamorona ny Midi Turf sy ny gazetiko, ka tany an-kafa no nanaovako printy ireo gazety roa ireo. Nankiniko tamin’ny vadiko ny fitanana ny anjara vola, izay tamin’ny alalan’ny kaonty manokana. Taorian'ny tsy fifanarahana dia nanaiky ny vadiko taloha fa hanome ahy 200 tapitrisa ariary. Niseho anefa ny olana taorian’ny fifanarahana ny volana desambra 2016, fa 10 tapitrisa ariary monja no azoko. Nanontaniako azy im-betsaka ny fanomezana ahy ilay 200 tapitrisa fa hividy fiara aho, saingy nilaza ho tsy manam-bola hatrany izy. Taorian’izay, dia nankany Kanada nanao vakansy, ary nila 5 tapitrisa, kanefa nilaza ho tsy nanana izy. Nilaza moa i Mamy Rakotoarivelo fa 190 tapitrisa ariary no anjara volany ao anatin’ny Midi Madagasikara, ka raha toa misy zavatra hitranga aminy dia tsy maintsy haloa amin’ny anabaviny, Misaharivoloniaina Razakahajaina Rasolofo ny vola. Nisy ihany koa ny resaka fampivarotana famantaranandro lafo vidy ny olon-tiany Andrianivoson Tiavina Corinne (fantatra kokoa amin'ny anaram-bositra tao amin'ny “Facebook” Corinne Asmiël). Tamin'ny fiandohan'ny volana mey, dia nangataka taminy mba hanome ahy ny 20 tapitrisa ariary sisa tavela, saingy nambara ho lasan’ny mpangaro-paosy, kanefa mety ho nampiasaina tamin’ny zavatra hafa, raha fintinina ny hafatra tao amin’ny kaonty “facebook”-n’i Mamy Rakotoarivelo. Omaly tolakandro ihany anefa dia efa tsy nandeha io kaontin’io tovovavy io. Tsy hay araka izany na famoizam-po na antony nahafaty azy na namonoany tena, fa ny fanadihadiana no hamaritra izany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.