Actualités

Mampitandrina ny SMM “Tsy natao hiaro fitondrana ny fitsarana”


  • Sabotsy 28 Aprily 2018

Namoaka fanambarana ny avy amin’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara na ny SMM omaly 27 aprily.

 

 Nohelohin’izy ireo ny fandatsahan-dra, ny fanakantsakanana ny fahafahan’ny olona manao hetsika an-dalambe am-pilaminana, ny fandrarana ny olona haneho ny heviny imasom-bahoaka, ny tsy fanarahan-dalàna sy tsy fanajana ny lalàmpanorenana ary ny kolikoly amin’ny endriny rehetra. Noho izany, ny SMM dia mbola mitaky foana ny fanajana sy fametrahana ny tany tan-dalàna. Hentitra  ny fanambarana tamin’ny filazana fa tsy manaiky intsony hatao fitaovana hiarovana ny mpitondra ny fitsarana. Tsy hanaiky intsony hatao hery famoretana amin’ny fanamelohana sy fanagadrana izay tsy mitovy na tsy miray hevitra amin’ny fanjakana, ka lazaina ho mpanelingelina fitondrana. Olana politika no miseho ankehitriny ka vahaolana politika no tokony ho setrin’izany ary ao anatin’ny fanajana ny lalàmpanorenana, hoy ny SMM. Ny fitsarana dia mitana andraikitra lehibe amin’ny hampangarahara sy hampanandanja ny fifidianana hifanesy eto amin’ny firenena dia efa misoroka sahady ka tsy hanaiky izay mieritreritra hangala-bato na handika lalàna mba hanodidina ny safidim-bahoaka, fa hijoro amin’ny maha fitsarana azy. Tsy hanaiky intsony ihany koa ny fanaovan’ny mpitsara sasany “deni de justice”, ka minia mampihitsoka ny fitoriana napetraka na eny amin’ny fampanoavana na eny amin’ny fitsarana isan-karazany. Mazava izany ny raharaha fa tsy hanaiky hatao fitaovana politika hamotehana ny mpifandrina amin’ny fitondrana izany ny SMM, ary tsy hanaiky lembenana ihany koa amin’ny fanarontsaronana sy fampitarazohana ny raharaham-pitsarana noho ny mety ho tombontsoa politika, raha halalinina ny fanambarana. Any am-pelatanan’ny fitsarana izao ny raharaha momba iny fandatsahan-dra tamin’ny 21 aprily teo iny, ary torak’izany ihany koa ny fagatahana ny fialan’ny filoha izay efa voarain’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Miandry isika hoe afaka hanao tsindry mba hanafainganana ny raharaha ve ny SMM ? Sa iniana hampitarazohana tahaka ny raharaha maro izy ity ?


Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT