Actualités

Mampiaka-peo ny fianakaviany !


  • Alatsinainy 27 Aogositra 2012

Manomboka mimenomenona amin’ny fitarazohan’ny fiasan’ny polisy malagasy any Toliara ny fianakavian’ilay teratany Frantsay, antsoina hoe Patrice Boquet.

 Efa ho telo herinandro tokoa mantsy izao no tsy hita popoka ity frantsay 64 taona ity. Ny fitarainana nataon’ny sakaizany teny amin’ny mpitandro ny filaminana tao Toliara ny 2 Aogositra teo no nahafantarana fa tsy hita izy. Raha araka ny fanazavan’ilay ramatoa nametraka ny fitarainana dia tsy nilaza mazava ny toerana handehanany i Patrice Boquet, nangataka fiara hoentina kosa anefa izy, saingy tsy nanaiky izany ilay sakaizany. Izay ihany no fanampim-baovao fantatra hatreto. Noho io fitarazohan’ny fanadihadiana sy ny fikarohana ny havany io dia re izao fa mety hihaona amin’ny minisitry ny atitany eto Antananarivo ny fianakaviana akaiky an’i Patrice Boquet, amin’ity herinandro ity.

Dimy volana mialoha izao dia efa nisy teratany Frantsay roa koa tsy hita popoka tao Toliara. Rehefa natao moa ny fikarohana dia ny vatana mangatsiakan’izy ireo sisa no hita. Hatreto aloha dia tsy mbola nisy ny fanampim-panazavana avy ao amin’ny masoivoho Frantsay momba ity raharaha ity, fa dia miandry ny fanadihadiana sy izay mety ho fihaonan’ny havan’i Patrice Boquet, amin’ny minisitry ny filaminana anatiny izany. Ho hita eo ny mety ho tohin’ity raharaha ity.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT