Anisan’ny mahatonga ny fahorian’ny Malagasy ankehitriny ny fahaverezan’ny fanomezan-kasina an’ireo tendrombohitra 12 nomen’Andrianampoinimerina izany nandritra ny fotoana nanjakany izay nihalefy taorian’ny nanjakan-dRadama I sy tao anatin’ny fanjanahantany.
Ninoan’ny Malagasy hatramin’izay anefa fa nitondra fitahiana avy amin’ireo Andriamanitra ninoany teo amin’ny fihariana nataony sy tamin’ny fiarovana ny harena voajanahary na ankibon’ny tany na anaty rano na zava-manan’aina izay nananany izany. Ho fanohizana ny tanjona ho amin’ny famelomana ny maha Gasy ary, taorian’ny hetsika lehibe fanomezan-kasina teny Ambohimanga, izay anisan’ireo tendrombohitra 12 , ny 21 septambra 2017 teo ary namondronana ireo olobe (Mpanjaka, Sojabe, Andriana, Mpitan-kazomanga, Tangalamena) manerana ny nosy dia nanatanteraka ny fomba fanao ho famerenan-kasina ny tendrombohitr’Iharanandriana ny filoha lefitry ny fikambanana MAMAFI (Malagasy Mampiray ny Firenena) Robert Randrianantoandro sy ny mpanara-dia azy. Natao tamin’izany ny Ala faditra sy fangataham-pitahiana ary ny sorona Omby volavita teo an-tampon’ny tendrombohitra Tsihiakarantakotra Iharanandriana, toerana efa fanaovan’Andrianampoinimerina izany hatrizay. « Ilaina ny famerenana ny hasin’ireo toerana masina rehetra manerana an’i Madagasikara, hatombokay amin’ireo tendrombohitra roa ambin’ny folo ireo, raha tiana hovelomina ny kolontsaina sy ny soatoavina maha Gasy » hoy, Robert Randrianantoandro. Mitohy ihany koa ny fiaraha-mientana amin’ny hetsika fanaon’ny isam-poko, indrindra ny fiomanana amin’ny fankalazana iraisana amin’ny taom-baovao iraisan’ny Malagasy ny 9 septambra 2018 io, tanjona lehiben’ny fikambanana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.