Actualités

Mama Dolores Hanampy ny zaza sahirana ao Antsiranana


  • Alatsinainy 25 Oktobra 2010

Mandalo ao Antsiranana ity mpanakanto avy atsy amin’ny nosy La Réunion ity ary niresaka tamin’ny mpanao gazety mba hamoaka ny hetahetany. Satria Malagasy ny renibeny, anisan’ny anton-diany ao Antsiranana koa ny hitady io fianakaviany io.

Nandritra ny fitsangantsanganana nataon’izy mivady tao an-toerana dia nahatsapa sy nahita maso izy ireo fa misy zaza sahirana maro be ao Antsiranana ka mikaroka fiaraha-miasa amin’ny fikambanana ao an-toerana ny fikambanana misy azy antsoina hoe : “Variété Créole”. Tsotra ny tanjona dia ny hiahy ireo zaza hita fa sahirana eny anivon’ny Fokontany. Voakasik’izany ireo zaza kamboty, na sahirana ny ray aman-dreny amin’ny fampianarana azy... Araka ny nambaran’i Mama Dolores dia zaza valo taona, 20 isa eo no mety hiantohan’ny fikambanany.

Nilaza koa izy fa mitady io fikambanana afaka hiaraha-miasa aminy io mba handefasana ireo fitaovana ho an’ireo zaza hiahina ireo. Mpanakanto sy mpampianjaika amin’ireny akanjo mariazy sy akanjo fitondra milanonana ireny koa izy ary nanana tantaram-piainana mampalahelo. Mbola kely izy no maty ny reniny, zaza maty kapoky ny rainy anefa izy. Tsy vitan’izay fa teo amin’ny faha-8 taonany dia voaolana koa. Anisan’ny antony nahatonga azy mitsinjo manokana ny zaza ireo tantarany ireo. Tsy ho ela moa dia hamoaka boky, nosoratany, mirakitra ny tantaram-piainany mitondra lohateny hoe : “L’enfance difficile” izy. Mandray anjara amin’ny horonantsary hoe “Marie des époux” koa izy, izany hoe ny manambady tanora. Efa namoaka raki-kira telo i Mama Dolores amin’izao.

 
Môrasiro

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT